Raha ny fanazavana nomen’ny talen’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra eo anivon’ny faritra atsinanana, Atoa Rasolondraibe Ralph Antonio,
izay mbola miandry ny didim-pitondram-paritra Atsinanana sy Analanjirofo ny fampiharana azy, dia ny 19 novambra ho avy izao amin’ny 6 ora hariva no hisokatra ny taom-piotazana lodsia sy ny taom-panondranana amin’ity taona ity ho an’ny faritra Analanjirofo sy ny faritra Atsinanana. Ho fiatrehana izany dia nosokafana omaly talata ny “guichet unique” ho fanamorana ny fanamboaran’ireo mpanangom-bokatra sy ireo mpitatitra ireo antontan-taratasy sy ny fandoavan-ketra samy hafa ilaina amin’izany fanaovana ny asany avy. Tsy nisy niova ny vola aloan’izy ireo tamin’ity taona ity fa sahala ny tamin’ny taona lasa ihany dia 150.000 ariary ny patanty, eo amin’ny 20.000 ariary ho an’ny olona manokana sy 40.000 ariary ho an’ny orinasa sy ny fikambanana eo anivon’ny “statistique” amin’ny fanehoana ny porofo mikasika izany. Tsy niova ihany koa ny saram-piantsonany alain’ny kaominina ho an’ireo fiara, fa mbola 40.000 ariary ny fiara latsaky ny iray taonina, 80.000 ariary izany ho an’ny fiara iray taonina hatramin’ny roa taonina, 120.000 ariary ireo fiara telo taonina hatramin’ny dimy taonina, ary 160.000 ariary ireo fiara mihoatra ny dimy taonina. Sambo roa kosa no ho avy haka ny lodsia Malagasy amin’ity taona ity dia ny sambo Baltic Klipper sy ny sambo Atlantic Klipper izay samy mahazaka 7.800 “palettes” avokoa izy ireo, ka ho tonga ao Toamasina alohan’ny fisokafan’ny taom-piotazana lodsia avokoa izy roa ireo. Efa mandeha kosa ireo orinasa manao ny fanondranana amin’ny alalan’ny fiaramanidina na manao ny “primeur” izay mazàna dia ireo lodsia mena tsy misy “soufre” no atao mandritra izany. Ankoatra izay dia efa mameno ny tsena any eoropa ankehitriny ireo lodsia avy ao Afrika Atsimo, ka manodidina ny 9 hatramin’ny 10 euros ny kilao any Belgique sy Frantsa; ireo lodsia Malagasy aondrana amin’ny alalan’ny fiaramanidina kosa dia efa an-dalana hihazo any eoropa ka mety hanodidina ny 7 euros eo ny kilao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.