Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tany Toamasina omaly tamin’ny 6 ora hariva ny taom-piotazana lodsia taona 2018-2019. Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambo ao ireo sambo hanondrana ny vokatra voalohany alefa any Eoropa.
Nanambara ny minisitry ny varotra sy fanjifana Yvette Sylla fa tena manaraka ny fenitra sy ny kalitao takian’ny iraisam-pirenena ny vokatra aondrana. 9000 taonina ireo vokatra ivelan’ny kaontenera efa naondran’i Madagasikara herinandro lasa teo ary nohamafisina ny fanaraha-maso, hoy ny minisitra mba ho tena hitazomana hatrany ny sehatra matihanina. 20.000 taonina no vokatra lodsia aondrana amin’ity taona ity raha 15.000 taonina ny tamin’ny taona 2017. Anton’ny fitomboan’ny vokatra aondrana ny fitaran’ny tsenan’i Madagasikara any amin’ny firenena Rosia.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.