Dossier

Tany tan-dalàna Tsy misy eto amintsika


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Misavoritaka tanteraka ny fiainam-pirenena ankehitriny. Eo aloha ny savorovoro momba ny lisi-pifidianana izay miteraka adihevitra be.

 

 

Miampy indray ny fisamborana an`Atoa Pety Rakotoniaina izay heverina fa manampy trotraka ny efa nisy hatrizay. Na tsy misy aza fitakiana ataon`ny olom-pirenena amin`ny famoahanana azy dia mety azo saintsainina kokoa ny fisamborana azy nandritra ny hetsiky ny HFI tetsy amin`ny lapan`ny tanàna ny volana jolay lasa teo. Fiantsoana hanangana fanjakana ao anatin`ny fanjakana no nandraisana fepetra satria matahotra fanafitohinana amin`ny fifidianana ny mpitondra. Amin`ny ankapobeny, ny tany tan-dalàna tsy misy eto amintsika satria ny mpifehy, izany hoe ny mpitondra, dia tsy manaja loatra ny lalàna misy sy ny lalàmpanorenana. Hany ka ny vahoaka fehezina dia lasa gaboraraka ny zava-misy. Efa mizotra mankany amin`ny fifidianana anefa isika ka tsy tokony hisy intsony ny fampirehetana afo hafa indray manavesatra ny efa misy amin`izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT