Ambany ny tahan’ny tantsaha mahazo fahafahana mindram-bola sy manatona eny anivon’ireny ivontoerana manao fampindramam-bola ireny amin’izao.
Sakana ny tsy fananan’izy ireo antoka sy ny tsy fahasahiana fotsiny izao hanatona ireny toerana ireny noho ny tsy fahaizana taratasy. Anisan’ny paikady napetraka ahafahan’ny tantsaha mindram-bola sy manao tahiry ny sehatra vondron’olona manao tahiry ifampisamborana ny VOAMAMI. Amin’ny alalan’ny fanaovana latsakemboka no ahazoan’ireo mpikambana mindram-bola ao hanohana ny tetikasany, hoy ny teo anivon’ny Tahirim-Pirenena ho an’ny Fampandrosoana (FID). Ankoatr’izay dia misy ny tohana omena ireo fianakaviana sahirana mba hisitraka ny fanampiana amin’ny alalan’ny fiahiana ara-tsosialy sy hanomezana azy ireo fanofanana hahay hitantam-bola sy hanao tahiry.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.