Dossier

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin`ny « Start-up : Entrepreneur-ship World cup” ny orinasa Ikiray Miel de Madagascar, izay orinasa mpamokatra tantely avy eto amintsika.

 

 

 Tombony lehibe ho an’i Madagasikara amin’ny fidirany amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao, indrindra ao anatin’ny resaka varotra. Tamin’ireo orinasa mpifaninana niisa 120 dia ny tantely vokarina eto amintsika no nahafa-po ireo mpitsara, nampian’ny tetikasa famarotana azy amin’ny teny Malagasy sy Anglisy. Marihina fa fifaninanana karakarain’ny “100 startups.co”, izay tafiditra ao anatin’ny fomba fiarovana ny tontolo iainana amin’ny tetikasa na orinasa vokarina, ny “start-up Entrepreneur-ship world cup”. Miha mitotongana ny fihariana tantely manerana ny faritra rehetra. Fahasimban`ny tontolo iainana ny antony lehibe mahatonga izany, tsy mahavanona ny tantely, tsy ahafahany mivelona. Miantoka ny fahatsaran`ny varotra izany, eto an-toerana sy any ivelany, indrindra ilaina ho an`ny fahasalamana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT