Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny CCI Ivato ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny tanora sy ny asa fiarovana ny tontolo iainana na ny FIJEV izay haharitra 5 andro.
200 isa ireo tanora mpandraharaha mandray anjara ao izay handraisan’ireo nosy rahavavy anjara manerana ny ranomasimbe indianina sy ireo tanora Malagasy manerana ny faritra maro. Ankoatra ny fiofanana hatao dia hisy ny fifaninanana hifantenana ireo tanora manana tetikasa ahafahana mamorona asa. Hisitraka famatsiam-bola ireo tetikasa maharesy lahatra ny mpitsara ary ny sehatry ny fandraharahana ho an’ny tanora no tena omena lanja amin’ity andiany voalohany ity. Misy ihany koa ny foara ho an’ny asa fiarovana ny tontolo iainana na “ foire aux emplois verts” izay misokatra ho an’ny daholobe anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro izay ahitana tetikasa maro tahaka ny fanodinana rano sy ny fako, ny angovo azo havaozina, ny Indostria manodina vato. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny FIJEV omaly ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ny solontena maharitry ny OIF.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.