Volena fifaninanana mba hisian`ny kalitaon`ny vokatra
Sarobidy loatra ny tanora ary tokony omena sehatra ahafahany mivoatra(Asa), ary manamafy ny fahaizany sy ny traikefa.
Ny tanora tsirairay dia tokony hifaninana mba hahafahany mahazo ny tsara indrindra avy aminy. Miatrika fifaninanana henjana eo amin'ny fiarahamoniny manokana ny tanora eto amintsika. Ho an`I Saraha Rabeharisoa avy amin`ny antoko PLD, ny fifaninanana dia tokony ho motera fanindrahindrana fa tsy fialonana. Tokony hanaiky izany ny tanora mba entina handroso hatrany ary hanao ny tsaratsara kokoa. Izany toe-tsaina izany no tsy maintsy ilaina ary volena amin'ny tanora Malagasy hoy ihany izy. Raisiny ohatra tamin`izany ny hetsika nokarakarain`ny PLD sy ny tarika Koezy ny 18 Aogositra lasa teo teny Itaosy Antanikatsaka. Ankoatra ny seho sehatra dia nisy fifaninana ara-kolotsaina. Nandritra izany fampisehoana izany dia nisy fifaninana dihy na "battle" niorina ka nisy tamin`ireo mpijery ihany no voatendry ho mpitsara. Nasehon'ireo talenta tsy fantatra ireo izay nandray anjara tamin'ilay fifaninana izay entin'ny fitiavana dihy. Manome ny tsara indrindra izy ireo mba ho isan`ireo mpandresy. Ny mpijery dia naneho ny safidiny tamin'ny fomba mangarahara ary izany no mariky ny fanovana izay tian'ny PLD ho demokratika liberaly. Omena fahafahana ny tanora rehetra amin'ny fomba tsara izany mba hahafahan'izy ireo manatratra ny tanjony amin'ny ezaka ataony fa tsy amin'ny filaharambe na ny kolikoly. Tamin'ny alalan'io fampisehoana io dia naniry ny hampiseho ny fanohanany ny tanora ny PLD Analamanga sy Saraha Rabeharisoa amin'ny fanomezana azy ireo fomba vaovao hanatonana ny fiainany, amin'ny fanolorana azy ireo handray anjara mavitrika amin'ny fiainan'ny mpifanolobodirindrina aminy. Marihana fa ny sabotsy 25 Aogositra ho avy izao dia eny Ambodihady Ambohimanarina indray no hisy hetsika manaraka. Ny tanora no fototry ny fanovana, ary Saraha Rabeharisoa dia mahafantatra ny mety ho herin'olombelona hoy ny hatrany ny fanazavana. Eo anatrehan'ny fifaninanana dia hanolotra tanjona maro kokoa ho an'ny fiainany ny tanora ary hanolotra ny tenany ho fitaovana mahomby. Kanefa amin'ny lafiny iray, mitaky mangarahara sy fahamarinana ny manome ny lanjany ho an'ny rehetra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.