TANORA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Resy lahatra fa handrotsa-bato ho an’i Tahina Razafinjoelina


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

Resy lahatra fa handrotsa-bato ho an’ny Kandida laharana faha-2 ireo tanora eto Antananarivo renivohitra afaka

rahampitso Alarobia 11 Desambra. Olo-marina, mahitsy tsy be kombaka am-bava fa tena mahavita azy i Tahina Razafinjoelina ho azy ireo ka mendrika ny hotohanana. Ankoatra izay dia manohana ny tanora ary vonon-kiady amin’ny habadoana sy ny tsy fananan’asa ihany koa ity Kandida ity hoy hatrany izy ireo. Santionany amin’izany ireto tanora nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Rebecca, mponina avy ao Soanierana II : Izaho manokana efa hatramin’izay no nankasitraka ny fomba fiasan’i Tahina Razafinjoelina. Fony izy tao anatin’ny kandida 11 isa izahay no efa nanaraka azy ary tsy mivadika aminy izany. Izy koa tena tia ny tanora no sady vonona ny hanampy azy ireny. Be loatra mantsy ireo tsy an’asa eto amintsika amin’izao.
Johasy, mponina avy ao Ankaditoho Marohoho : Tahina Razafinjoelina ihany no mahavaha ny olan’ny tanora tsy an’asa eto amintsika. Izay no hitiavako azy. Izaho manokana zao tsy an’asa. Be dia be koa ireo namako sy iraitampo amiko tsy an’asa.Antony hifidiananay azy izany afaka rahampitso Alarobia. Asa no andrasanay aminy raha lany soa aman-tsara izy.
Jo, mponina avy ao Ankaditoho Tsimbazaza : Tanora aho fa tena naharesy lahatra ahy ny fandaharan’asan’ny Kandida laharana faha-2. Vonona ny hanome asa ho an’ny tanora izy. Tsy be resaka ihany koa fa tonga dia miasa. Vao tamin’ny Zoma 06 Desambra teo ohatra dia niaraka nanamboatra tata-drano taminy teny Ankaditoho teny izahay. Tsy kabary ny asa fa tena asa avy hatrany koa manentana antsika olom-pirenena eto Antananarivo renivohitra rehetra mba hifidy an’i Tahina Razafinjoelina fa izy ihany no vahaolana ho antsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT