Dossier

Tanjon’ny fampandrosoana holovain-jafy Arahimaso hatrany I Madagasikara


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Manomboka indray ny atrikasa etsy sy eroa eto Madagasikara indrindra amin’izao fahataran’ny firenena Malagasy amin’ny fampandrosoana izao.

 

 

 Efa nisy ny fampahafantarana ny laharam-pahamehan’ny tanjon’ny fampandrosoana ho lovain-jafy (ODD) izay niarahana tamin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho amin’ny Fampandrosoana (PNUD) sy ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2015 dia niditra tamin’ny vinam-pampandrosoana ODD izay manana tanjona 17 ary iraisan’ny firenena mpikambana ao amin’ny Rafitry ny Firenena Mikambana i Madagasikara. Arahamaso sy tarihina lava I Madagasikara. Tany amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana, Menabe, Androy ary Anosy izao dia nisy hatrany ny atrikasa natao. Tanjona ny hampidirana ireo faritra resy ara-toekarena ireo hisitraka ny politikan’ny fampandrosoana eny ifotony ka hipaka amin’ny filàn’ny mponina marefo mihitsy izany hatramin’ny taona 2030. Narafitra mba ho hitan’ny sehatra iraisam-pirenena indray ireo heverina ho mainka indrindra ary mifanaraka amin’ny ilaina amin’ireo tanjona 17.  Hatreto aloha dia iaraha-mahita ny tsy fahaiza-mandrindra sy ny tsy fahatrarana ireo tanjona ireo fa variana hatrany tamin’ireny atrikasa sy ny resaka ambony latabatra marobe ireny fotsiny I Madagasikara. Mampametram-panontaniana hoe ho tratra indray ve ny tanjon’ity ODD ity amin’izao fitondrana vaovao izay mirehareha fatratra izao. Sa hanomboka indray ny atrikasa maro sy teoria isan-karazany izay tsy hitondra n’inona n’inona ho an’ny vahoaka Malagasy Ny zavatra tsapa aloha dia raha mihaino ny fidinginan-drambo sy ny fizahozahoanan’ny fitondrana dia ho mora mihitsy amin’ny firenena Malagasy ny hahatratra ireo tanjon’ny fampandrosoana ireo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT