Dossier

Tanàmasoandro Tsy hilefitra ny fanjakana


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

Tsy vao izao no niresahako azy. Efa an-taonany maro no niresahana azy.

 

 

 Tahaka ny tanàn-dehibe rehetra, ilaina ny fanitarana ny tanàna. Fony ben’ny tanàna aho dia efa nitsiry tao anatiko io. Antananarivo dia natao ho an’ny 350 000 kanefa dia efa 300 000 amin’izao fotoana izao, hoy Andry Rajoelina. Izany no mahatonga ny olana samihafa: fitohanana, fiakaran’ny rano,... Ny Tanà-masoandro no anisan’ny nifidianan’ny vahoaka ahy, hoy izy. Minisitera, trano fampirantiana, fitsangantsanganana, village artisanale, trano fisakafoanana,… no hatao eny ary ho tanàna filamatra, hoy izy. Tsy ho tonga mihitsy any amin’ny Tanàmasoandro ny rano avy eto Antananarivo. Ny fanorenana hatrany am-boalohany an’Antananarivo mihitsy no nisy fahadisoana, raha ny fahitan’ny filoha azy. “Hivoatra ve sa tsy hivoatra ? Handroso sa tsy handroso ?”, hoy izy nanamaivana ny fanotofana hataony, izay tsy hisy fihemorana mihitsy, raha halalinina ny teniny. Ny any Dubai aza tsy ampy ny tany dia ny ranomasina no nototofana, hoy izy. Ny any Dubai anefa dia marihina fa tany karankaina tsy mamokatra no nanaovana fanorenana. Omeo ahy ny tambin’ny famokarana ao anatin’ny 5 taona fa honerana, hoy izy. Raha manana tanimbary 1ha ianao dia anao fa homeko 5ha any Bevoay. Hitolagaga ny Afrikanina sy izao tontolo izao hahita an’io Tanà-Masoandro io. Raha mamokatra 4 taonina dia andao fa homeko 8 taonina, hoy izy. Vao ny sabotsy lasa teo kosa tetsy an-kilany no nisy ny hetsika nataon’ireo vahoaka tompon’ny tany teny Ambohitrimanjaka, izay notsenain’ny Emmo-reg teny an-toerana. Andrasana izay ho setriny taorian’ny valandresaka nataony halina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT