Dossier

Tambin-karaman’ny mpampianatra Nisy ny fanitsiana, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena


  • Zoma 28 Febroary 2020

Namoaka fanambarana fohy tetsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana teknika etsy Anosy omaly ny minisitra, Rijasoa Andriamanana Josoa, sy ny

 

ekipany fa tsapan’ity minisitera ity ny fiandrasan’ireo mpampianatra sy mpandraharaha eo anivon’ity minisitera ity ny vaovao mikasika ny tambin-karama voafaritra ho azon’izy ireo ho tohin’ny fampiharana ny fifanarahana natao teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny jolay 2018. Tsy vao izao ny minisitera, hoy izy, no nikaroka ny fomba rehetra hampiharana io fifanarahana io ho tombontsoan’ny besinimaro. Nisy ny fanitsiana tsy maintsy nentina teo amin’ireo didim-panjakana efa nivoaka teo aloha mba hisian’ny fitoviana lenta eo amin’ny mpiasa rehetra. Eo am-pamaranana ny dingana rehetra tsy maintsy arahana ankehitriny ny minisitera sy ny governemanta ary manamafy izahay fa efa tsy mitsahatra mikaroka ny vahaolana hanafainganana izany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT