Amin`izao vanim-potoana izao dia toa lasa Ambohipihaonana ny tambajotran-tserasera fesiboky (Facebook).
Zavatra no hita ao. Nandritra ny taona 2018 hatramin`izao dia misy manana aingam-panahy hafa mihitsy ireo mpampiasa azy io. Nisy hatramin`ny fanimbazimbana anarana mpanao politika, fampielezana vaovao tsy marina… Tato ho ato dia malaza indray fa hamoaka vola vaovao ny eo anivon`ny Banky Foiben`i Madagasikara, toy ny 50 000 Ariary sy 100 000 Ariary mitambatra. Nikorontana ny teo anivon`ny Banky Foibe fa tsy marina ny fanaparitahana vaovao momba ny fivoahan`ny vola taratasy vaovao hafa. Noho izay resaka korontana naterak’ilay vaovao tsy marina izay no antony nandraisan’ireo tompon’andraikitra fepetra, ka namoahany fanambarana. Araka ny sata mifehy ny Banky Foiben’i Madagasikara, voafaritry ny lalàna laharana faha-2016-004 tamin’ny 29 jolay 2016, nofenoin’ny lalàna laharana faha-2016-057 tamin’ny 2 febroary 2017, dia ny Banky foibe irery no manana fahafahana hamoaka vola (privilège d'émission) eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny famoronana, ny fanaparitahana karazana vola taratasy na vola madinika ary koa ny fepetra mikasika izany dia faritan'ny Banky Foibe (andininy faha-12). Ny fanapahan-kevitra mifandraika amin'izany dia raketina amin'ny alalan'ny didim-panjakana. Raha vantanina ny resaka dia mahalasa adala mihitsy ity fesiboky ity. Marihina anefa fa misy ny lalàna momba ny “cybercriminalité” ary maro ireo efa nidoboka am-ponja noho io fampielezana vaovao tsy marina io. Tsy nampoizin`ireo izay efa nidoboka eny am-ponja anefa, fa hisy fiantraikany lehibe ny tsaho naeliny. Misy ihany koa ny fifandrimbonan’asa eo amin’ny « Direction d’Information de Système Informatique et Transmission » (DISIT), ny « Brigade Criminelle » ary ny “Cybercriminalité”. Fitaovana entina hanamorana ny serasera sy ny fifandraisana ny fesiboky sy ny tambajotran-tserasera rehetra fa tsy natao hanakorontanana na koa ampiasaina amin’ny resaka mamoafady sy fanalam-baraka ary soa iombonana ho an’ny rehetra no antom-pisian’ny “lalàna”.
Marigny A.
Ireto ihany no vola taratasy manan-kery, ary
Noho izany, ny Banky Foibe ihany no mahazo mamoaka ny vola taratasy sy ny vola madinika izay hany manan-kery ara-dalàna manerana ny tanin’ny Repobikan’i Madagasikara (andininy faha-9).
izy no isan’ny fositra tamin’ny fielezan’ilay vaovao tsy marina tao anaty tambajotra Facebook. Ny ampitson’ny nielezan’ilay
Nitarika fikorontanana teto an-drenivohitra tokoa iny resaka tonelina nirodana iny, ary nampisy fiantraikany maro tamin’ny fiaimpiainana sy ny andavanandron’ny mponina mihitsy. Noho izay resaka korontana naterak’ilay vaovao tsy marina izay no antony nandraisan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana fepetra ny amin’ny loharano niavian’ilay tsaho.
Banky Foiben`i Madagasikara
Mpistipaka
Filazana avy @ Banky Foiben'ny Madagasikara :
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.