Dossier

Tale Jeneraly vaovaon’ny BIANCO Ho fantatra afa andro vitsy…


  • Talata 02 Jolay 2019

Tapitra ny 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale Jeneralin’ny Bianco ary ho fantatra amin’ity herinandro ity ny anaran’ny Tale Jeneralin’ny Birao Mahaleotena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) vaovao raha araka ny vaovao nampitain’ny teo anivon’ny Comité pour la Sauvegarde de l’intégrité (CSI).

 

Miainga amin’ny lalàna laharana 2004-030 sy ny lalàna 2016-020 no hanendrena io Tale Jeneralin’ny Bianco vaovao io. Raha araka ny lalàna 2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 dia milaza fa « tendrena hiasa mandritra ny 5 taona ny Tale Jeneralin’ny Bianco ary tsy azo havaozina izany ». Ny lalàna laharana 2004-030 kosa no anarahana ireo dingana hanendrena izany Tale vaovao izany. Raha araka io lalàna io ihany dia tsy maintsy hatsangana ny Comité Ad Hoc izay tarihin’ny CSI. Io rafitra io dia ahitana ny filohan’ny CSI, ny solontena iray avy amin’ny mpampianatra eo anivon’ny ENAM, ny mpikambana iray avy eo anivon’ny komity mpanara-maso avy ao amin’ny Bianco, ny solontenan’ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena, solontena iray avy eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena iray avy amin’ny sehatra tsy miankina ary iray avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava. Rehefa izay dia misy dingana 3 ny fandraisana ireo izay te ho kandida ho tale jeneralin’ny Bianco. Ny voalohany amin’izany dia ny fandinihana ny antontan-taratasin’ny mpifaninana. Manaraka izany ny fakàna am-bavany ireo kandida ary farany ny fanadihadiana ara-moraly (enquête de moralité). Rehefa tomombana izany dia ireo kandida 3 hitan’ny comité ad hoc tsara indrindra no haroso manoloana ny filohan’ny Repoblika ary izy no manendry ny iray amin’izy ireo amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Marihina fa efa nanomboka ny volana aprily lasa teo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireto izay te hanao ny asan’ny Tale Jeneralin’ny Bianco izany ka nifarana tamin’ity volana jona ity.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT