Manoloana ny fahavoazana nahazo an’i Madagasikara tamin’ireny fisiana andro ratsy izay namoizana ain’olona sy naha traboina ny faritra maro ireny,
dia nampahery an’i Madagasikara ny praiminisitra Indiana Narendra Modi sy ny minisitry ny fiarovam-pireneny Rajnath Singh. Fifampiresahana tamin’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny alalan’ny hafatra tao amin’ny Tweeter no nampaherezan’izy ireo ny Malagasy rehetra. “Misaotra anao Andriamatoa hiloha hajaina Rajoelina. India dia mifamatotra amin'i Madagasikara amin'ny alalan'ny Ranomasimbe Indianina, ary vonona ny hijoro eo anilan'i Madagasikara na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Maniry sy manantena fiaraha-miasa aminao ho fiarovana sy fampandrosoana ho an'ny rehetra ao amin'ny Faritra SAGAR (ranomasimbe)”, hoy ny praiminisitra. Nanambara ihany koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena Indiana fa i India dia mifanohana hatrany amin'ireo sakaizany na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Ny tafika Indiana dia fantatra tokoa amin’ny fomba fiasa sy fanampiana ny olona. Amin'ny fotoana ilan'ireo sakaizanay vonjy dia mitsangana hatrany ireo tafikay hamaly izany antso izany, hoy ny tenany. Noho izany rehetra izany moa dia nisaotra azy ireo ny filoham-pirenena Malagasy ary nankasitraka ny fanohanana ny Vahoaka Malagasy, indrinda tamin’ireo fanampiana nomen’i India nandritra ny tondra-drano nahazo an’i Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.