Notsiahivin’ ny Filohan’ ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, nandritra ny fiarahabana ny filoha mivady nahatratra ny taona 2020 ireo asa vita nandritra ny volana maromaro nitsangan’ity andrimpanjakana ity.
Tao ny fandaniana ireo karazana volavolan-dalàna mikendry ny tombontsoa iombonana. Fa ny zava-dehibe, hoy izy, dia ny fandaniana ny lalàna miady amin’ ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na maha vavy izay tsy misy ifandraisany velively amihn’ ny fampanmbadiana ireo mitovy fananahana. Tokony atsangana ihany koa, hoy izy, ny tahiry ho an’ ny famatsiam-bola eo anivon’ ny parlemanta (fonds parlemantaire d’investissement) mba hahafahan’ ireo distrika manatanteraka ireo tetikasa fananganana fotodrafitrasa. Voarain’ ny filohan’ ny Repoblika moa ny fangatahana izay mifandraika amin’ny velirano. Raha manafintohina ireo depiote am-perinasa ny manao fampitahana na maka ho maridrefy ny solombavambahoaka teo aloha satria nifangaro voraka daholo ny zava-drehetra tamin’ izany, dia miverina indray izany ankehitriny. Voahitsakitsaka indray ny fenitry ny fisaraham-pahefana. Tamin’ ny fotoam-piasana teo aloha dia nisalovana an-karihary ny asan’ ny mpanao lalàna ny fahefana mpanatanteraka, ny mpanao lalàna kosa dia teo ambany ny fibaikon’ ny fahefana mpanatanteraka ka zary vata fandrotsahan-taratasy fotsiny ihany. Efa io fahazarana mifanitsaka andraikitra io no maimba ireo rafitra eto amin’ ny firenena saingy izao mbola mitohy izao indray.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.