Mba ho fahombiazan’ny tetikasa FEC (Facilité Elargie de Crédit) dia anjaran’ny fanjakana Malagasy no manao ny ezaka amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly.
Io no tatitra nataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena taorian’ny fandinihan’ny Filankevi-pitantanana momba ny fahafahan’i Madagasikara misitraka indray ny famatsiam-bola 44,25 tapîtrisa dolara. Tsiahivina fa afaka fanadinana indray ny firenena Malagasy ny amin’ny fandaharan’asa FEC saingy nanantitrantitra ny mpamatsy vola ny amin’ny tokony handaniana ireo lalàna roa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena momba ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (avoirs illicites) sy ny ady amin’ny famotsiam-bola. Ankoatra izay, tokony hisy akony tsara amin’ny fahamafisan-toeran’ny harifaobe tahaka ny fifehezana ny tahan’ny vidim-piainana sy ny fandaniam-bolam-panjakana, ny fitantanam-bolam-panjakana ary ny fampidiram-bolam-panjakana ity fifanarahana ity. Fanamby lehibe mila atrehina ihany koa ny famaritana ny fikajiana ny vidin-tsolika sy ny fanatsarana ny taham-bokatry ny orinasa JIRAMA Iaraha-mahita fa tena mbola marefo ny toekaren’i Madagasikara ary matroka hatrany ny tarehimarika ka ilaina hatrany ny famatsiam-bola tahaka itony. Tsy omena fotsiny anefa izany fa misy hatrany ny fandinihana ny tomban’ezaka vitan’ny firenena ataon’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ka rehefa afa-po izy ireo vao manome ny fanampiana ara-bola.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.