Dossier

Tahirim-bolam-panjakana Nahazo ivontoerana vaovao ao Morondava


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Miavaka ary manana ny maha izy azy manokana ny andraikitra iantsorohan`ny Tahirim-bolam-panjakana eto amin`ny firenena dia ny fitantanana sy ny fiarovana ny volam-bahoaka.

Mihatra aman`aina ny fanatanterahan`ny mpiasa sy ny tompon`andraikitry ny tahirim-bolam-panjakana ireo andraikiny ireo satria tokoa mantsy vola no tantanana ka maro ny loza mety hitranga ary be ny fahavalo. Araka izany, nisitraka ivon-toerana vaovao ny tanànan`i Morondava, faritra Menabe ary natao omaly ny lanonam-panokafana. Nanome voninahitra ny lanonana ny fanjakana foibe izay notarihin`ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina notronin`ny minisitry ny vola sy ny teti-ola, Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona sy ny tale jeneralin`ny tahirim-bolam-panjakana, Herivola Andriamanga ary ireo manampahefana maro toy ireo mpikambana sasany eo anivon`ny governemanta sy ireo tompon’andraikitra ambony any an-toerana. Manaraka fenitra ity ivontoerana vaovao ity satria trano misy efitrano lehibe maro ary rihana iray sady natao maoderina avokoa ny endriny. Tanjona, hoy ny ny tale jeneralin`ny tahirim-bolam-panjakana, Herivola Andriamanga, mba hananan`ny mpiasa ao amin`ity sampandraharaham-panjakana ity filaminana arak`asa mamaly ny filàna. Miisa 28 ireo mpiasa ao amin`ny tahirim-bolam-panjakana ao Morondava ary ity ivontoerana ity no faha-17 notokanana nandritra ny taona 2010. Adidy masina tokoa no sahaniny sy efainy satria iankinan`ny fampandehanan-draharaham-panjakana sy ny fiainam-pirenena iray manontolo. Andro iray toa zato ihany koa ho an`i Morondava ny omaly satria nandritra ny lahatenin`ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia hohavaozina ny serananam-piaramanidiana any an-toerana ary handray zotra iraisam-pirenena. Nosokafana tamin`ny fomba ofisialy ihany koa ny tetikasa famatsiana rano fisotro madio amina toerana 200 izay vatsian`ny governemanta sinoa ka mponina maherin`ny roa hetsy no hisitraka izany.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT