Dossier

Tahirim-bola iraisam-pirenena Kolikolin’ny tetezamita no namotika ny toekaren’i Madagasikara


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

80 miliara dolara na 265 264 000 000 000 Ariary (1dolara=3315,80 Ariary) no vola very isan-taona aty Afrika noho ny kolikoly.

 

Manary vola 1,4 miliara dolara na 4 642 120 000 000 Ar isan-taona  farafaha ambaniny ny firenena afrikanina iray ahitana kolikoly. Taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ka nisian’ny tetezamita nandritra ny 5 taona no nisiana kolikoly betsaka sy fanondranana tsy ara-dalàna indrindra teto Madagasikara, araka ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena. Nisy ny sazy iraisam-pirenena nahazo ireo mpitondra nanongam-panjakana tamin’izany ary hita ho samy nanararaotra nanao kolikoly sy nangoron-karena tamin’ny fanondranana ny harem-pirenena izy ireo. Rehefa izay dia niiba 0,5% isan-taona ny tahan’ny harinkaren’i Madagasikara ary nihozongozona tanteraka ny harifaobe (instabilités macro-économiques). Tsy nisy fandrosoana ary nirodana hatrany amin’ny sehatra sosialy noho ny fitantanana goragora nisy rehetra tamin’izany. Potika ny sehatra fandraharahana ary nihena hatrany ny fampiasam-bola natao ka niteraka fitotonganan’ny fidiram-bolam-panjakana. Noho ny tsy fisian’ny fanjakana marim-pototra dia tsy sahy nandoa hetra ny maro ka zara raha nisy 3% tamin’ny harinkarena faobe ny fampidiran-ketra. Ny mahagaga sy mampametra-panontaniana ny maro amin’izao dia toa modian’ireo olona nanao kolikoly sy namotika toekarena tamin’ny fanonganam-panjakana ireo fanina ny tantara ratsy nataony. Efa mieloelo ao daholo indray mantsy izy ireo ary lohalaharana tamin’ny filatsahan-kofidina. Nisesisesy koa tato ho ato ny fanambaran-dry mamba noana ny amin’ny ho mbola fanohanana an’ny olona nampitondra takaitra saro-tsaboina ny firenena. Hendry ny Malagasy ka afaka mandinika tsara ny tantara ary mahafantatra ny efa ho tokony fandrosoana nisy teto raha tsy nigafy ireo olona ireo. Ho voalohany avy any amin’ny farany ny firenena ary tsy hiarina intsony raha mbola ireo no hiverina eo indray !


Tsirinasolo

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT