Dossier

Tahina Razafinjoelina « Fampianarana no fanalahidin’ny fandrosoana »


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Vahiny manokan’ny onjam-peo Fandaharana “Bemiray” ao amin’ny Top Radio 102.8 Fm Atoa Tahina Razafinjoelina filoha nasionalin’ny Antoko Tia Tanindrazana omaly maraina.

 

 

 Nampahafantatra bebe kokoa ny mahakasika io antoko io, naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena izy, indrindra fa ny fifidianana, ary nitondra ny heviny ihany koa hoenti-mampandroso ny firenena.

 

Oviana marina moa no niforona ny antoko Tia Tanindrazana fa ny tena fantatry ny olona dia ny gazety foana ?

TR: Antoko niforona efa tamin’ny 2010 ny Tia Tanindrazana, tao anatin’ny fotoana nivaivay teto amin’ny firenena. Nanana fomba fijery hafa hoe: ny antoko dia natokana hanasoa ny mpiray tanindrazana fa tsy voatery haka toerana na haka tombontsoa,… Noheverina tamin’izany fotoana fa tsy mbola fotoana hakana toerana na hirotsahana amin’ny fifidianana

Inona no foto-kevitra tena ijoroan’ny Tia Tanindrazana ?

TR: Mifototra amin’ny lafin-javatra 3 lehibe ny antoko, dia ny fampianarana   sy ny fihavanana, ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ary mampivoitra ny teknolojia hoentina amin’ny fampandrosoana.

FAMPIANARANA   SY NY FIHAVANANA

Adidy lehibe ny fampianarana, izany hoe tokony hampianatra ny vahoaka hifampizara vaovao. Fa amin’ny fampianarana mihitsy, dia anisan’ny foto-kevitra ijoroana ny hoe: “ny fampianarana no fanalahidin’ny fampandrosoana”. Mila ampifanarahana amin’ny zavatra tadiavin’ilay faritra io fampianarana io. Ny any amoron-tsiraka, ohatra, dia anisan’ny foto-pivelomana ny resaka jono, ary mila afantoka amin’izany ny fampianarana. Ny any Atsimon’ny Nosy, dia manana harena ankibon’ny tany, izay azo havadika ho hery hampandrosoana ka hafantoka kokoa amin’izany ny fampianarana. Raha ny resaka PSE (Plan Sectoriel pour l’Education), izay misy adihevitra be amin’izao dia azo atao ny hoe samy manana ny azy sy ny fandaharam-potoana. 

FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY

Mikasika ny fitsinjaram-pahefana ihany koa dia efa ela ny Tia Tanindrazana no nivoy momba ny fitantanana sy ilay fitsinjaram-pahefana tsy nety hatramin’izay satria lasa ny tompon’ny vola no tompon’ny fahefana. Ny volam-panjakana dia tokony hozaraina eny anivon’ny olona tena miasa, fa tsy tazonina eny anivon’ny minisitera. Ohatra iray mivaingana izay mampalahelo kanefa marina ny amin’ny hopitaly. Na mivoaka mivalan-drano aza mandoa vola. 400 miliara isan-taona anefa ny tetibola sy vola mihodina ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana. Lasa aiza izany ilay volabe natokan’ny fanjakana ho an’ny fahasalamana ? Tsy tonga eny amin’ny hopitaly. Ny tahaka izany no voizin’ny Tia Tanindrazana hoe: alefaso eny amin’ny hopitaly ny betsaka kokoa amin’io volam-panjakana io fa tsy ohatr’izao ny fahasalamam-bahoaka sy ny fahoriana raha ohatra ka mety kokoa ny fomba fizarana azy io. Fahasalamana no noraisina ho ohatra, fa betsaka ny endri-javatra tahaka an’io, tahaka ny any amin’ny filaminam-bahoaka.

TEKNOLOJIA HOENTINA AMIN’NY FAMPANDROSOANA

Ny sehatry ny teknolojia, dia tena azo ampiasaina amin’ny fampandrosoana. Ohatra azo raisina mba hampazava azy kokoa ny fampihenana ny fitohanan’ny fiara, izay manary vola 3 miliara isan’andro. Fomba hahafaha-manao izany ny fametrahana “Puce GPS” amin’ny fiara fitateram-bahoaka. Amin’ny fihantsonan’ny taksibe no tena ahitana ny fitohanana, ka tsy hoe saziana na hampijaliana izy ireo, fa fehezina ary beazina. Eo ihany koa ny fametrahana “camera de surveillance” hahafaha-mahazo loharanom-baovao haingana hahafahan’ny mpandrindra mandrindra ny fifamoivoizana,… izay raha mametraka 100 isika eto Antananarivo ho fanombohana mety eo amin’ny 100 tapitrisa ariary, raha toa ka hatrany amin’ny 8 tapitrisa dolara ny manao lalana 1km.  Manana traikefa manokana sy mahay ary tena anisan’ny kinga saina indrindra eto ambonin’ny tany rahateo ny Malagasy.

 

Ahoana ny fahitanao ny resaka fanemorana ny fifidianana sy ny fikasana hametraka Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS ?

TR : Ny antony mety nanemorana azy, dia zavatra iray tsy azo lavina ny hoe: tsy manam-bola sy tena sahirana ny fanjakana amin’izao. Araka ny eritreritry ny antoko, dia variana amin’ny “populisme” ny fanjakana fa tsy amin’ny mahasoa ny mponina (Population). Manao fety sy mamalifaly etsy sy eroa fa ny tena fototra ilain’ny vahoaka adino, raha tsy hiteny ny zava-nisy teny 67Ha hoe: tapaka ny rano. Ny Jirama amin’izao misedra olana lehibe amin’ny fandoavana ny solika. Ny jiro sy rano dia filana fototra. Ny yola no tena olana, izay vao ilay hoe: tsy mahita kandida, ka tokony hijery vahaolana amin’io ara-bola io ny fanjakana. Tsy olana ny mametraka PDS raha ao anaty fahasarotana tahaka izao. PDS tena hanao ny marina ve anefa sa hitsinjo ilay tombontsoa manokana ho an’izay mametraka azy eo ? Raha hametraka fifidianana tena marina eny amin’ny kaominina, dia tsy misy olana.

Inona ny olana sy vahaolana amin’ny fifidianana eto Madagasikara izay ahitana lesoka foana ?

TR: Raha hahemotra ihany dia andao hatao fifidianana maodely, mba mitsinjo lavitra. Miainga amina lisi-pifidianana madio. Mihoatra amin’ny lisitra voasoratra no tonga mifidy. Sao dia ampiasaina hifidianana olon-kafa io mihoatra io. Raha madio io lisitra io tsy manan-tahotra mihitsy ny CENI mamoaka ny lisitry ny olona tonga mifidy. Mila haverina ihany koa ny laharana hamantarana ny bileta tokana, hahalalana hoe tena an’ilay biraom-pifidianana tokoa ve ilay bileta narotsaka tao ? Tokony ho fantatra hoe: ny bileta mitondra ny laharana izao ka hatramin’izao, dia ho an’ny fari-pifidianana na biraom-pifidianana mazava. Tokony hangarahara ihany koa ny isan’ny bileta tokana natonta sy nampiasaina ary tsy niasa satria ny tsy niasa no lasa ampiasaina indray hanaovana zavatra hafa. Ny olana eto, dia ny fitondrana misy no mametraka ny mpitsara eny ambony kianja, ary hita io amin’ny fifidianana. Ny fifidianana eto Madagasikara elabe vao mivaly. Mila kirakiraina eny anivon’ny faritra ny valim-pifidianana. Azo ampiasaina ihany koa ny teknolojia ary isika rahateo manana ny “fibre optique” eo tambajotram-pifandraisana. Mila ampidirina any amin’ny fifidianana ny FFKM, fa tsy hoe rehefa misy olana ihany vao midododo mitady ny Raiamandreny am-panahy hoe: manana olana i anona sy anona !

 

 

Izany rehetra izany ve no tsy nandraisana anjara mihitsy tamin’ny fifidianana izay efa maromaro ihany no nandalovana nanomboka ny 2010 ? Ianao ve ho kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ?

TR: Anisan’ny tsy nandraisana anjara tamin’ny fifidianana izany. Efa ela no niady tamin’izany sy niteny tamina haino aman-jery. Atsipy foana ilay teny fa tsy mahakivy ary aleo atao foana. Mino isika, fa ny zavatra tsara ohatr’izany tsy very fa henon’ny olona. Matoa izahay manao izany, dia tsy ho an’ny Tia Tanindrazana ihany fa ho an’ny firenena. Ny vinavina dia tsy mitodika amin’i Tahina Razafinjoelina ihany fa mitodika amin’ny antoko, ka ny fanapahan-kevitry ny antoko no mitondra izany. Izay foana no nahavoa teto mantsy hoe: rehefa mijery, dia olona aloha fa tsy antoko. Na rehefa mifidy aza, izay isan’ny nanambakan’ny olona antsika, dia ny bikabikan’ny olona sy ny tarehiny. Ny fampandrosoana dia miainga amin’ny vinan’antoko politika. Anisan’ny natao teto foana rehefa fifidianana ny hoe: mizara zavatra, fa fanambakana ireny, ary rehefa lany tsy hita intsony. Raha hitaiza sy tena hanao politika isika dia andao hatao politika tena izy hoe: hevitra sy fampandrosoana no hoentina !

Nanangona sy nandrindra: Toky Rafalimanana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT