Manome 3 hatramin’ny 6% monja amin’ny harinkarena faobe ny vola ampidirin’ny hetra eto Afrika.
Vitsy hatrany ny orinasa mandoa hetra ary saika ireo orinasa misehatra amin’ny fanafarana entana ka mivarotra aty an-toerana tahaka ny mpivarotra finday no manao azy. Eo ihany koa ny banky isan-karazany sy ireo sehatra vitsy manara-dalàna no tena mba mandoa hetra satria mihatra avy hatrany amin’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny TVA. 80 miliara dolara ny vola tsy tafiditra anatin’ny kitapom-panjakana eto Afrika noho ny fialana ara-ketra (évasion fiscale) araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Maro ny antony. Misy ny orinasa misehatra amin’ny fanondranana tsy ampandoavina hetra. Tafiditra ao ny orinasa sasany manao fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny orinasa afaka haba. Ny antony faharoa mahatonga ny fampidiran-ketra ho latsaka ambany dia ny fanafenana ny tena vola mihodina marina tahaka ny tranga maro izay misy eto Madagasikara. Hany ka ambany be ny hetra aloan’ilay olona na orinasa ary tsy mifanahaka amin’ny tena zava-misy marina. Ary ny fahatelo kosa dia ny saran’ny fandraharahana takian’ny orinasa reny amin’ireo sampany manerana ny Afrika ka ifindrany any amin’ny firenena afrikanina izay manome vahana ara-ketra azy. Mitoetra any amin’ny firenena tsy dia mitaky hetra be ireny orinasa ireny ary ireo firenena tena mahantra tahaka an’i Madagasikara matetika no iharany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.