Samy manana ny taha-bola na ny “taux de change” mety aminy ny firenena tsirairay arakaraky ny zava-misy ao aminy. Miankina amin’ny toetoetran’ny toekarena any amin’ny firenena no hametrahana ny taha-bola mifandraika amin’izany.
Raha ny teto Madagasikara manokana dia efa nisy 4 ny taha-bola nampiasaina. Efa nampiasa ny taha-bola tsy niovaova (change fixe) ny firenena tamin’ny taona 1960 -1973 tao anatin’ny “zone franc”. Nahatsara ny toekarena ihany tamin’izany satria raha misy hery ivelany mety manakorontana na manelingelina ny fandoavam-bola mankany ivelany dia miditra an-tsehatra ny Frantsay. Mari-toerana tsara ny toetoetry ny harifaobe (conditions macroeconomiques) tamin’izany satria 4% monja ny tahan’ny fisondrotam-bidim-piainana ary nahatratra 2,3% ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena. Niala tao amin’ny “Zone franc” i Madagasikara saingy mbola nilomano tao anatin’ny taha-bola tsy miovaova hatrany nanomboka ny taona 1973 hatramin’ny 1994. Tamin’izany no namoronana ny Banky Foiben’I Madagasikara. Nanomboka tamin’ny taona 1994 kosa anefa dia niala tamin’ny taha-bola tsy miovaova isika ary niditra tamin’ny change flexible. Teo ihany koa no teraka ny Sehatra fividianana sy fivarotana vola vahiny (MID) ary nalalaka ny fahafahana manana kaonty amin’ny banky amin’ny vola vahiny. Hatreto dia hita ho mety amin’ny firenena ihany aloha io taha-bola io satria nahafahana nanana tahirim-bola vahiny izay hitarafana ihany koa ny tanjaky ny toekaren’ny firenena. Ny fanapahan-kevitra fametrahana ny taha-bola mihitsy, araka izany, no manome sary ny tanjaky ny toekaren’ny firenena saingy tsy io no kitihana avy hatrany raha sendra misy tsy fetezan’ny toekarena fa ny tsena hatrany no mamaritra azy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.