Dossier

Startup Weekend Fianarantsoa 2018 Lasan’ny tetikasa E-tety ny amboara


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Lasan’ilay tetikasa E-tety entina mampandroso ny fizahantany anatiny eto Madagasikara ny laharana voalohany amin’ilay hetsika “Startup Weekend” momba ny fandraharahana natao tany Fianarantsoa.

 

 Fifaninanana famolavolana tetikasa hananganana orinasa izay nomanina mandritra ny 54 ora ary novelabelarina tao anatin’ny 1 minitra monja ny Startup. Mpandraharaha matihanina, mpampiasa vola ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny hetsika no nitsara ny tetikasa niisa 80 teo ho eo. Famoronana sehatra anaty web mba ho fanampiana ny Malagasy amin’ny fizahantany ataony eto Madagasikara ary fanamorana izany na ara-bola na ara-potoana no nahazoan’ny tetikasa E-tety ny amboara. Ny tetikasa Madzar bio charbon sy Bets rhum no nitana ny laharana faharoa sy fahatelo. Mampiroborobo ny sehatra tsy miankina ny hetsika ary hojerena sy hotantanan’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka ireo tetikasa mitombina sy manome vahana ny fivelaran’ny fandraharahana ireo. Araka izany dia hisy ny famoronan’asa ho teraka noho izao hetsika famolavolana tetikasa fananganana orinasa izao.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT