Dossier

Solika sy angovo eto Madagasikara Lainga sy fitaka no afafy amin’ny vahoaka


  • Talata 07 Mey 2019

Manara-maso hatrany ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny sehatry ny solika sy ny angovo eto Madagasikara ny eo anivon’ny fikambanana Faribolana Mpandinika ny Hary eto Madagasikara (CREM).

 

 

 

Nanambara izy ireo fa tsy misy mihitsy ny fifaninanana sy ny fangaraharana eo amin’ireo mpandraharaha 4 fa manao ampihimamba izy ireo hatramin’ny taona 2000. Io vidin-tsolika ambony loatra io anefa dia miteraka fisondrotam-bidim-piainana satria na ny fiakarana 1 Ariary amin’ny vidin’ny gazoala fotsiny aza dia mampiakatra marika 0,062 eo amin’ny tondrom-bidim-piainana. Ankoatra izay, nilaza izy ireo fa ratsy ny kalitaon’ny vokatra amidy nefa ny tombombarotra alain’ny mpandraharaha mihoapampana. Manginy fotsiny ny redevance ho an’ny FER ao anatin’ny rafi-bidy izay mitentina 10 miliara Ariary isam-bolana kanefa tsy mifanaraka akory amin’ny lalana voakojakoja. Izany rehetra izany, miampy ny tsy fahaiza-mitantana no mampivangongo ny trosa tsy voaloan’ny fanjakana ary tsy voafehy intsony ny fanaraha-maso eo amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny tsenam-bola. Nilaza mihitsy ny teo anivon’ny CREM fa anjakan’ny lainga sy fitaka ny vahoaka noho ireo kolikoly sy ny tsikombakomba ataon’ny fitondrana miaraka amin’ireo mpandraharaha ara-tsolika. Nanome vahaolana maharitra izy ireo mba hamerenana indray ny fifanarahan’ny fitondram-panjakana sy ireo mpandraharaha ary ireo mpanjifa, indrindra ireo mpanjifa goavana tahaka ny JIRAMA sy ny orinasa Ambatovy. Ny fampihenana 198Ar ny vidin-tsolika izay nolazain’ny filoham-pirenena hoy izy ireo dia azo tanterahina tsara ary ny latsak’io aza mbola azo atao ihany koa. Azon’ny orinasa JIRAMA atao mihitsy ny manafatra solika mivantana any amin’ny firenena mpamatsy mba hampihenana ny saran’ny angovo. Tokony hampidinina ihany koa, hoy izy ireo, ny hetra sy ny redevance rehefa tsy mazava ny tamberin’andraikitra avy amin’ny fanjakana. Mangataka amin’ny fanjakana ny CREM mba hametra ny tombony alain’ny mpandraharaha ara-tsolika ary hijery akaiky ny fanafarana solika miainga any amin’ny firenena mpamatsy mandrapahatongany eny amin’ny seranan-tsambo. Ary farany, ankoatra ireo fotodrafitrasa efa tranainy izay tokony hamboarina sy hosoloina dia tokony hatao tomombana tsara ny terminal de stockage satria ny fihoaram-potoana aterak’izany dia misanda 7,2 AR/litatra. Tsy maintsy heverina ihany koa ny fijerena mpandraharaha ara-tsolika vaovao hampidina ny vidin-tsolika.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT