Dossier

Sisin-dranomasin’i Madagasikara Tsy voafehy ny fiarovana azy


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Mivelatra sady midadasika ny fari-dranomasina Malagasy satria avo telo heny mihoatra ny velaran-tanin`i Madagasiakra. Antony tsy hahafehezana ny fifindra-monina sy ny fanondranana an-tsokosoko ny fidadasiny. Olana goavana ny tsy fahampian`ny fitaovana anatanterahana ny asa na efa nanomboka manampy amin`ny fampitaovana aza ny fanjakana.

 

Hodidinina ranomasina 1 225 259 km2 ary manana toerana ara-ekonomika 370 km miala sy manodidina ny sisin-tanintsika i Madagasikara. Raha 587 000 km2 ny velaran-tany azo hitsahina dia 1 812 259 km2 ny faritra azontsika ampiasaina, arovana, ary azo trandrahana ..  

Mandeha an-dranomasina ny 80%-n`ny entana

Ny lakandranon’i Mozambika sy ny Oseana Indiana dia feno mpitatitra iraisam-pirenena ary feno mpitrandraka solika sy entona  ary harena an-dranomasina sy ny jono. Ny 80%-n`ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany dia mandalo ranomasina avokoa. Ohatra ny solika, izay fototra iray iankianan`ny toekarena. Tokony hifantohana ankoatra ny varotra ireo harena an-dranomasina ireo raha tsy hilaza afa tsy ny solika ambanin`ny ranomasina tombanana hatramin`ny 10,8 miliara barila. Mifamatotra ihany koa amin`ny ranomasina mampihodina ny toekarena ny seranan-tsambo. Tokony hotanterahina ny fametrahana seranan-tsambo, araka ny fenitra avy amin`ny OMI. Fotodrafitrasa miantoka fiarovana sy fisorohana ny loza. Raha eto amintsika misy ny morontsiraka na seranan-tsambo tsy ampy na tsy misy io fiarovana sy fisorohana ny loza an-dranomasina io. Manamarina izany ny fanondranana an-tsokosoko andramena sy ireo harena maro hafa.


Ady amin’ny asa fampihorohoroana…

Maro ny loza mananontanona ny sisin-dranomasina toy ireo asa fampihorohoroana, ireo jiolahin-tsambo, ny asan-jiolahy mitam-piadiana mifanehatra amin’ireo tantsambo. Eo koa ny fitondrana zava-mahadomelina, ny fifamezivezen’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna, ary  ireo fanondranana tsy ara-dalàna maro samihafa sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazan-dranomasina izay mamotika ny fampiroboroboana ny harinkarena faobe. Anisan’ny katsahina ihany koa ny fiarovana ny ranomasina amin’ireo fandotoana izay mamotika ny tontolo iainana, mitondra fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Voarakitra ao avokoa ny fiarovana ireo biby manan’aina any anaty ranomasina sy ireo firenena na nosy manambana ny ho ringana noho ny fiakaran’ny rano vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Manamafy ny seha-piarovany ny sisin-taniny i Madagasikara amin’ny alalan’ny satan’i Lomé fa eo koa ny fitsipi-pitondran-tenan’i Djibouti eo amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina. Ireto farany izay tontosa vokatry ny hetsika nataon’ny APMF na ny sampandraharaha miandraikitra ny fifamoivoizana an-dranomasina sy ny CRIFM. Ireo no antoka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena an-dranomasina, ahazoana hatrany ny tokin’ny fiarahamonina iraisam-pirenena.


 

Jono tsy ara-dalàna

Miteraka fatiantoka an`arivony tapitrisa dolara no setrin’ny fahalanian’ireo trondro izay trandrahin’ireo sambo avy aty amin’ny ranomasina atsinanana an-tsokosoko. Sehatra iankinan’ny fihariana ara-toekarena ny sehatry ny jono ho an’i Madagasikara.  Misahana tokoa ny 4.1% ao anatin’ny harinkarena faobe izany. Ny 13%-n’ny vokatra haondrana ihany koa dia avy amin’izay jono izay avokoa. Miteraka fikorontanana eo amin’ny tontolo  iainana an-dranomasina anefa ny tsy fahaizana mifehy ny gaboraraka ataon’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna. Manoloana izany tranga izany, firenena miisa valo ahitana an’i Madagasikara, Komoro, Kenya, Maorisy, Mozambika, Seychelles ary Tanzania sy i Somalia no mivondrona miady ho an’ity raharaha izay manimba ny fiharian’ny firenena ity amin`ny alalan`ny tetikasa FISH-I Africa. Mifanakalo vaovao mahakasika ireo sambo mivezivezy ao amin’ny fari-dranomasina ireo firenena valo mba hamehezana  ny gaboraraka eo amin’ny sehatry ny  jono.

 


Fiarovana ny sisin-dranomasina

 

Midadasika ny fari-dranomasina Malagasy. Tsy arifomba anefa ny fiarovana azy. Miteraka fatiantoka goavana ao anaty kitapom-bolam-panjakana noho ny tsy fisian’ny fiarovana feno, na dia manao izay ho afany aza ireo tompon’andraikitra, indrindra ny Zandarimariam-pirenena. Manana tafika andranomasina 300 isa amin’ny Tafika Malagasy i Madagasikara, izany hoe 1,5%-n’ny tafika Malagasy no misahana ny sisin-dranomasina 5.000km amin’ireo sambo haingam-pandeha 07 eo ampelatanana ary 253 no isan`ireo nosy kely manodidina an`i Madagasikara. Manampy sy manamora ny andraikitra sahanin’ny Tafika an-dranomasina ny fitaovana manaraka ny arofenitra sy ny teknolojia vaovao, indrindra amin’ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ireo sambo amin’ny morontsirak’i Madagasikara amin’ny alakan’ny fitaovam-pifandraisana avo lenta : ny GPS sy radar ao anatiny izay hiara-miasa amin’ny CFIM na Centre Fusion et Information Maritime. Tokony hofaritana ny politika momba ny fitaterana an-dranomasina sy ny seranan-tsambo satria miainga avy amin`ny OMI (Organisation maritime international) ny lalàna rehetra ampiharina eto Madagasikara. Na dia eo aza ny ezaka maro samihafa mahakasika ny fiarovana ny sisin-dranomasina, hita taratra hatrany ny tsy fifehezana ny gaboraraka samihafa.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT