Raha jerena ety ivelany dia mihodina hatrany ny raharaha famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, na eo aza ny fitokonan’ireo mpiasan’ny fadintseranana sasany noho ny fisian’ireo inspektera sy ireo mpiasa sasany mbola miasa.
Miteraka fatiantoka hatramin`ny 4 lavitrisa Ariary isan`andro ho an`ny fanjakana, famonoana an`ireo mpandraharaha sy mpanjifan’ny ladoany ny zava-misy izao kanefa toa misy no mahazo vahana ny hafa manoloana ny toe-draharaham-pirenena.
Mitsitaitaika
Ny tena mizaka ny tsy eran’ny aina amin’izao zava-misy eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina izao dia ireo mpandraharaha sy ireo mpanafatra entana ary ireo “transitaires - concessionnaires” misahana ny famoahana ny entan’ireo mpanjifany sy ireo sambo mpitondra entana izay tena miantoka ny fampidiram-bolam-panjakana. Nandritra izay nisian’ny fitokonanan’ny mpiasan’ny fadintseranana izay zon’izy ireo amin’ny maha olom-pirenena azy ireo, dia mitsitaitaika ny fivoahan’ny entana eo anivon’ny seranan-tsambo. Lasa mampitombo ho avo roa na telo heny amin’ny asa ataony izy ireo amin’ny famoahana na fampidirana kaontenera na entana iray kamiao. Manginy fotsiny ny vola amboniny tsy maintsy mivoaka amin’izy ireo isan’andro noho ny saran’ny fijanonan’ny entana eo anivon’ny seranan-tsambo sy ny sazy mihatra noho ny fahataran’ny sambo izay maro ireo miantsona afovoan-dranomasina noho ny zava-misy, izay tsy maintsy aloa amin’ny vola vahiny avokoa. Misy ihany koa ireo lava tanana sy manamboninahitra ambony mamoaka ireo entana toy ny tamin`ny andron`ny tetezamita. Ohatra ny taona 2012, mamoaka kaontenera an-tsokosoko eo anivon`ny seranantsambon`i Toamasina (SPAT) ny miaramilan`ny FIS (Force d`Intervention Speciale). Tamin`ny volana aprily lasa teo, nahoraka ny famoahana entana nataon`ny teo anivon`ny zandarimariam-pirenena.
Fatiantoka ho an`ny mpandraharaha
Raha ny vaovao voaray farany anefa, sahirana maro ireo mpanafatra entana avy any ivelany amin`izao fotoana. Maro mpandraharaha izay mandray anjara amin`ny hetsika “Grande Braderie de Madagascar” no tsy nahatafavoaka ny entany kanefa manomboka anio izany hetsika izany. Ho an` ireo mpanondrana entana indray, toy ny GEM manokana dia mangataka ry zareo mba ny entana haondrana no alefa satria mety hanaratsy ny fiaraha-miasa amin`ireo mpiara-miombon`antoka vahiny raha toa ka tsy voahaja ny fe-potoana nifanaovana. Raha kamiao 300 no zakan’ny seranan-tsambo dia zara raha misy kamiao 30 no tafavoaka isan’andro mahazo ny entan’ireo mpanjifany. “Tena famonoana anay mpandraharaha sy mpanjifan’ny ladoany mihitsy ny zava-misy izao, raha sanatria ka manakatom-baravarana izahay ireto dia hanao ahoana ny mpiasa Malagasy sy ny fiainam-pirenena izay efa misaritaka ankehitriny izao ity”, hoy ireo “transitaires – concessionaires” nilazan’izy ireo ny heviny. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa “fiaraha-miasa no tadiavinay amin’ireo mpiasan’ny fadintseranana mitokona ho tombontsoa iombonana sy ho fitsinjovana ny Malagasy”. Na izany aza, nisy ihany ny fiandrasan-draharaha tamin'ny fampandehanana ny asa tena maika eo amin`ny seranan-tsambon`i Toamasina saingy miankina amin`ny tanjaky ny gravy izany. Ny laharampahamena kosa ho an`ny mpiasan`ny ladoany dia ny entana sokajiana “denrée perissable” no tsy maintsy mivoaka satria raha simba ireny dia ny ladoany no miantoka izany ary tamin`ity krizy ity.
4 lavitrisa Ariary isan`andro no very
Anisan’ny miantoka ny fiainana ara-bolan’ny fanjakana ny ladoany Toamasina noho izy mampiditra ny 70% ny volam-panjakana hahafahan’ny mpitondra migalabona amin’ny volam-bahoaka sy fampihodinana ny raharaham-panjakana. Marihana fa 80% ireo mpandraharaha dia tsy maintsy mandaloeo amin`ity serantsambon`I Toamasina ity hany ka tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny tahirim-bolam-panjakana ny zava-nisy eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina efa ho iray volana izao ity. 90% ny zavatra ilaintsika eto Madagasikara ihany koa dia miditra ao Toamasina avokoa, izany hoe “toerana stratejika” ny seranan-tsambon`i Toamasina. Rehefa tsy miasa indray andro ny seranan-tsambo dia misy fatiantoka 4 lavitrisa Ariary eo amin`ny kitapom-bolam-panjakana. Ny angom-baovao no nahalalana fa ny ampahefatry ny tanjona amin’ny fampidiram-bola napetraka monja no tratran’ny ladoany izao. Manampy trotraka izany ny mbola fitokonan’ny mpiasan’ny sampan-draharahan’ny hetra. Tsy mampiova ny asa aman-draharahan’ny Spat amin’ny maha mpisahana ny fitantanana ny seranan-tsambo azy anefa ny zava-misy eo anivon’ny ladoany izao, satria mitohy hatrany ny asany andavanandro. Ny ezaka amin’ny fanitarana no resahina izay heverina fa hatomboka ny volana jolay izao ny ampahan’ny asa voalohany dia mandeha tsara, efa saika tonga eo anivon’ny seranan-tsambo ihany koa ireo ekipan’ny JICA mpamatsy ny vola.
Lasan-ko vavany fotsiny
Anisan’ny orinasa mahazo tombony betsaka amin’izao zava-misy eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina izao ny orinasa Mictsl misahana ny fitantanana ireo kaontenera miditra sy mivoaka ao aminy. Tsy misy fihantrana mihitsy izy ireo amin’ny saram-pijanonan’ny entana tavela ao amin’izy ireo, na misy avy amin’ity orinasa ity ihany koa aza ny fitarazohana amin’ny famoahana entana misy noho ny tsy fahampian’ny fitaovana eo am-pelatanany amin’ny fisahanana ny mpanjifany. Tsy misy ny vahaolana maharitra fa lany andro amin`ny famahana olana vonjimaika hatrany izay voakasik`ity olan`ny orinasa MICTSL ao amin`ny seranan-tsambon`i Toamasina. Taorian`ny fitokonana nataon`ny mpamily fiarabe farany teo ka nisian`ny fivoriana maika ary nahitana vahaolana vonjimaika dia nikendrena fotsiny amin`ny fotoana handehanan`ireo mpamily fiarabe nitarika ny fitokonana ny fampiharana ny famahana ny olana. Hatreto, tsy misy tohiny ny raharaha. Na ny naoty ho fampahafantarana ireo tompon’entana haka ny entany mihitsoka ela loatra eo anivon’ny seranan-tsambo aza araka ny vaovao tsy mbola nisy, hany ka mbola maro amin’ireo kaontenera 2.174 nijanona ela loatra teo anivon’ny seranan-tsambo mbola vitsy no nalain’ny tompony, manginy fotsiny ireo kaonteneram-bary an’arivony izay efa miditra amin’ny fahaloavany tsy misy mpaka noho ny olana ara-bola amin’ny fidangan’ny saran’ny famoahana ny entana noho ilay saram-pijanonany teo anivon’ny Mictsl sy izany vola 2.000 dolara isaky ny kaontenera takian’ireo mpanafatra vary izany. Ankoatra ny fahoriana mahazo ireo “transitaires – concessionaires” sy ireo mpandraharaha ary ireo mpanafatra entana amin’ny fitokonana efa ho iray volana izay, dia manampy trotraka ny olana sedrain’izy ireo koa ny zava-misy eo anivon’ny orinasa Mictsl. Miezaka mangataka fifampiresahana mikasika ity raharaha ity koa izy ireo saingy ampifilafilaina ihany koa ankehitriny, koa ho hita eo indray izay ho tohin’ny raharaha.
Rakoutou sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.