Ho tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina anio zoma amin’ny 6 ora maraina ny sambo lehibe mitondra solika.
Lasantsy 16 tapitrisa litatra sy gazoala 40 tapitrisa litatra no ho tonga, izany hoe mitotaly 56 tapitrisa litatra. Io no hiantoka ny solika ampiasaina eto Madagasikara mandritra ny volana novambra raha ny fanazavan’ny minisitry angovo omaly. Eny amin’ny tobin-tsolika Alarobia moa no miainga ny fitsinjarana mankany amin’ireo toby fivarotan-tsolika, ary hiasa amin’ny alina mihitsy ireo fiara be mpitatitra mba hahatonga azy ireny ara-potoana. Aoka tsy hividy solika be mihoatra ny fanjiafana mahazatra isika fa io no mahatonga ny filaharam-be, hoy ny minisitra. Etsy an-kilan’izay anefa dia mbola tsikaritra ihany omaly ny filaharana tamina toby fivarotan-tsolika teto Antananarivo, ary nisy ireo nikatona fa hoe lany ny solika tahiry tao aminy. Raha ny fantatra dia efa nisy ampahan-tsolika tahiry avy any Mahajanga ihany koa nalefa aty Antananarivo ary re fa efa nalefa ihany koa ny kaomandy manaraka mba tsy hiverenan’ny olana intsony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.