Dossier

Seranan-tsambon’i Toamasina Efa mahazaka kaontenera miisa 250 000


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Ny zoma hariva teo tao amin’ny foyer social Canada no nanao ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ireo mpiara-miombona antoka aminy ary ireo nasana manokana, izay notarihan’ny tale jeneralin’ny Spat Atoa

 

 Avellin Christian sy ny komitim-pitantanan’ny Spat nahita an’Atoa Toto Alphonse ary ny tale jeneraly teo aloha Atoa Botozaza Pierrot. Nandritra izany no nilaza ny asa vita ny taona nivalona sy ny asa mbola miandry manomboka amin’ity taona vaovao ity ao anatin’ny fanitarana sy ny fanatsarana ny seranana. Raha ny nambaran’ny solontenan’ny mpiasa Atoa Tsifoina tompon’andraikitry ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia betsaka ny asa vita ao anatin’ny fanitarana ny seranana, na mbola betsaka koa aza ny asa mbola hatao. Ny asa vita sy efa mandeha izao dia ny fanotofana tany 10ha eo anivon’ny seranana amin’izao, ny fanitarana ho 5 ha ny fandraisana ireo kaontenera, ny fananganana ny tranon’ny kolotsaina sy ny hain-teny vahiny, PACT, ary ny fanatsarana ny trano fanaovam-petin’ny CRJS izay efa tokana tsy ho ela ireto roa farany raha ny vaovao voaray. Ankoatra ireo dia teo koa ny fanamboarana ny EPP Zoto sy ny lalana maromaro simba teto Toamasina ary ny fanamboarana ny tranon’ny firaisana Tanambao V. Raha ny fanazavana azo koa nandritra izao fifampiaraban’ny mpiasa sy ny mpiara-miombona antokon’ny seranana ny zoma izao koa no nahalalana fa efa handeha tsy ho ela koa ny fanitarana ny fiantsonan’ny sambo atao hoe “Mole C3” sy ny fanitarana ny fanakanana ny onjan-dranomasina antsoina hoe “Brise Lames”. Nandritra izao lanonana izao koa no nangatahan’ny mpiasa ny seranana ny mba hanaovan’ny Spat politikan’ny tranom-bahoaka ho an’ny mpiasa, ary ny fijerena ny sosialiny izay efa betsaka no azo saingy mbola tsy ampy araka ny fanazavana azo. Ankoatra izay dia “Seranana miroso, Seranana mandroso” izay no filamatra manomboka izao, satria amin’ny taona 2023 sy ny taona 2026 dia efa hisy fiovana lehibe eo anivon’ny seranana amin’ny fanitarana. Raha ny zava-misy amin’izao dia efa tratra ny 250.000 kaontenera azon’ny seranan-tsambo raisina izay mbola nahitana fitomboana teo amin’ny 16% izany ny taona nivalona iny, ary izany dia mila kamiao 500 mitatitra ny entana isan’andro izay miteraka olana goavana eto Toamasina.

 

Rakoutou

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT