Dossier

Seranam-piaramanidina Ivato Ahitana kolikoly isan-karazany


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

Araka ny mari-pandrefesana ny kolikoly 2017 dia tsy nahafa-po ny ady amin`ny kolikoly eto Madagasikara .

 

 Maro ireo sehatra ahitana kolikoly be indrindra ary anisan`izany ny harena voajanahary. Mahavalalanina tokoa fa na dia fantatr’ireo mpanondrana harem-pirenena fa henjana ny sazy miandry azy ireo amin’izany afera maloto izany dia hita maso sy azo tsapain-tanana mihitsy fa tsy mety fay ary vao mainka maro no mahasahy manao izany. Efa betsaka ireo tsy manaraka rafitra sy lamina ka tsy vao ela akory ilay tovolahy iray 27 taona sarona nitondra vola vahiny tsy ara-dalàna saika hihazo an’i Frantsa ka nahatrarana vola vahiny na « devise » mitentina 7 500 Euros na 30 000 000 Ar tsy nanaovana fanambarana teny amin’ny fadin-tseranana. Momba ireny raharaha izay niteraka resa-be ireny dia mbola fanontaniana mipetraka hatrany ny hoe ``tandrevaka sa gaboraraka`` no misy eny Ivato ? Misy ihany anefa ny ezaka ataon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra izay miasa amin’ny fiarovana ny seranam-piaramanidina saingy misy ny lava tanana akanjo ka mahita irika hatrany.

 


 

Malaza ratsy tokoa noho ireo trafika maro samihafa sady manalabaraka ny firenena Malagasy ary indrindra koa manaporofo fa gaboraraka ny fanaraha-maso ataon`ny mpitandro ny filaminana eto amintsika na misy izy ireny no mikipy maso tsotra izao noho ny antony maro samihafa. Moramora ny fivoahana eto Madagasikara ho an`ny manan-katao na koa lava tanana. Betsaka anefa ny mikaikaika fa mafy loatra ny fisavana eo Ivato ary tsy vitsy ihany koa ny mitaraina fa be loatra koa ny « manotra ». Ny mivoaka koa mora fotsiny eo amin’ny fitiliana sy ny fisavana ara-batana rehetra na ny harena voajanahary na ny olona ihany koa.



EFITRA TELO

 

Efitra telo ao amin`ity seranam-piaramanidina ity no azo hanaovana izany kolikoly avo lenta izany. Ny efitra voalohany, izay eny Atsinanana ny fidiranana natokana ho an`ireo mpandeha,  dia ao amin`ny ``salon VIP`` izay andraisana ireo manamboninahitra na eto an-toerana toy ny filoham-pirenena, ireo mpanolotsaina manokana, ireo minisitra, ireo manaboninahitra … Toerana iray tsy dia misy fisavana be ary tsy misy fitaovana fitiliana na ``scanner`` fa ny polisy misahana ny filaminana sy ny fisavanana ihany no miasa ao. Ny entam-be kosa dia ny “protocol” no mandray an-tanana izany eo anivon`ny ``enregistrement`` kanefa tsy misy fisavana ``bagages à main`` na entana entin-tanana. Misy indray ny ``salon faharoa`` izay natokana ho an`ireo manan-katao na ``1ere classe`` izay mitovy endrika amin`ny voalohany voalaza teo ihany ny fomba fiasan`ireo  sampandraharaham-panjakana rehetra izay miasa amin’ny fiarovana ny seranam-piaramanidina. Marihana fa matoa misy ny mpanao kolikoly dia eo ihany ny mpanome izany ary ao indrindra ny mpiaro izany. Farany dia ilay efitra fahatelo izay mbola hatao fanamboarana satria mifanila amin`ilay fanitarana trano atao eny Ivato ankehitriny. Amin`izany indrindra no manararaotra ireo olona ambara fa manampahefana sy ireo mahitahita eto amin`ny firenena.  Voalaza fa ny polisy sy ny mpiasan’nny fadin-tseranana no tena mahazo tombony amin`ity fisavana ao anatin`ny seranam-piaramanidina ity.


Ny zandarimariam-pirenena kosa no matetika voarohirohy amin`ity fanondranana harena voajanahary ity noho izy ireo araka ny lalàna,  tsy mandalo fisavana satria misahana ny faritra ivelan`ny seranam-piaramanidina kanefa afaka mivezivezy ao an-trano hatrany. Nandritra ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa ny zandary matetika no anisan`ny tompon`antoka amin`ny famoahana volamena an-tsokosoko. Noho izy ireo tsy savaina ary afaka miditra sy mivoaka ary mivezivezy ka mety misy sasany amin’izy ireo manararaotra izany fahefana izany. Misy ireo mpijirika mikaroka izay olona mitondra harena voajanahary ireo. Kanefa maro ireo dingana tsy maintsy arahina rehefa mivoaka an`ny nosy ny olona iray ka eo amin`ny dingana famaranana no manatanteraka ny famindrana entana izy sy ilay olon-dratsy.  Marihina fa ny PAF na ny polisy misahana ny sisintany sy ny habakabaka, dia miandraikitra ny fisavana ao anatin`ny seranam-piaramanidina ihany. Tsara ihany koa no manamarika fa azo haondrana ny volamena saingy misy kosa ny rafitra mila arahina ao anatin’ny fanatanterahana izany amin’ny tokony handoavana ireo haba sy hetra voatondron’ny lalàna.


 

Tena efa miharihary ny kolikoly eny an-toerana ary miseho amin`ny endriny samihafa. Tsy voatery fanondranana volamena no heloka eny Ivato fa ny karazana tsy fanarahana lalàna ihany koa. Mpanondrana devizy tra-tehaka izay tovolahy iray 27 taona izay no sarona nitondra vola vahiny tsy ara-dalàna teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny 14 febroary 2018. Saika hihazo an’i Frantsa izy no nahatrarana vola vahiny na « devise » mitentina 7 500 Euros na 30 000 000 Ariary ka tsy nanaovana fanambarana teny amin’ny fadin-tseranana. Raha ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana, dia tsy maintsy hanaovana taratasy fanambarana izany satria harena mivoaka eto amin’ny firenena.  Notanana avy hatrany tao amin’ny « Bureau de l’Unité de Surveillance de l’aéroport d’Ivato,  porte TBE1 » izy sy ny volabe. Milaza fa mahitahita ity tovolahy ity ary mpanolotsainan`ny filoham-pirenena no niaro azy. Mazava ho azy ny mety tsindry avy amin’ilay mpanolotsain’ny filoha sady naman’ity tra-tehaka nampiasa ny anarany sy ny fahefany ho fiarovana ny namany, io ilay antsoina hoe “trafic d’influence”. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no hahafantarana ny marina; afaka hiroso araka ny tokony ho izy anefa ve izany fanadihadiana izany satria misy anaran’olona maventy voatonontonona ao ?

 

Tsy kisendrasendra raha toa potiky ny kolikoly sy halatra ny eny Ivato. Noho ny ataon`ireo ireo tompon`andraikitra ambony ihany izay manao kolikoly no ianaran`ireo mpiasa madinika. Mila malina hatrany rehefa eny Ivato satria raha entana sendra mipetra-potsiny dia atahorana ho voan`ny ``Doudah``. Teny iray ilazan`ireo mpiasa eo anivon`ny fadin-tseranana fa tsy misy tompon`ny valizy na entana iray. Toa izao no isehoan`izany: Raha sendra variana iny ny tompon`entana dia misy mpiasa manisy ``talon`` na fanamarihana mahakasika ny tena tompon`entana tampoka. Mbola mirongatra hatrany kosa ny fitondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena, izay hilana paikady hentitra kokoa avy amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany. Ny sokatra ohatra di any mpiasan`ny Adema no tena tompon`antoka amin`izany. Mampiasa ilay fomba ``Talon`` voalaza etsy ambony ireo mpanararaotra ary datin ny ampitso ny daty izany. Ny fitondram-panjakana anefa tsy mandefitra manoloana ny gaboraraka.

 


 

 

Eo ihany koa ny entana atao hoe ``Hors norme`` na tsy manaraka ny fenitra ny endrika na ny haben`ny valizy iray toy ny angady … Ny “agent de comptoir” no matetika manao ity ``bizna``ity ary ny teratany vahiny, indrindra ny sinoa, no tena lasibatra ary ahazoana 50 000 Ariary hatramin`ny 300 000 Ariary hatrany. Ny lanja mihoatra na ``surpoids`` ihany koa dia anisan`ireo kolikoly mateti-pitranga eny Ivato  ary ny kaompania tsirairay avy dia manana ny “canevas”. Tsy vitan`ny fanaovana kolikoly ny eny Ivato fa tena lasa iainanan`ireo mpiasa misahana ny fanaraha-mason`ny entana ny fanokafana valizin`olona. Na dia arifomba sy ara-teknolojia ny fanaraha-maso eny an-toerana dia ao anaty raoplanina indray izy ireo manatanteraka izany. 

 


 

Nisy ny fanaovana sonia ny fitanana an-tsoratra ny: ladoany, zandary, polisy. Izany rahateo ny fepetra takiana rehefa misy ny fanagiazana harem-pirenena izay saika haondrana an-tsokosoko toy ireny. Nohamafisina ny fitsirihana sy fanaraha-maso eny amin`ny seranam-paiaramnidina iraisam-pirenena Ivato. Voakasik`izany fandraisan`andraikitra izany ny Air Mad, ACM, Adema, polisy misahana ny fiarovana sisintany, ny zandarimariam-pirenena, ny fadintseranana sy ireo sampandraharaha hafa. Ary zavatra efa nitranga teny ivato ny hoe: nisy volamena nosakanana tsy navela nampidirina tao anaty fiaramanidina kanefa dia nisy manampahefana ambony niantso an-tariby ary nanome baiko ny hamelana izany volamena izany hiondrana. Mila matotra ny fandraisan`andraikitra ary raha tokony havoaka mazava ny anaran`ireo olona ambony mpanao ``intervention``.  Fa na mivory isan`andro aza ny polisy, rehefa mbola misy ny lava tanana dia mibanaka be foana ny eny Ivato ary entana sombintsombiny mody atao tratra no avoaka amin`ny fampahalalam-baovao fa ny tena bizna goavana mandeha foana.

 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT