Dossier

Sendikan’ny JIRAMA Hanapaka jiro sy rano…


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Tapaka tanteraka ny fifampiresahana, hoy ireo sendikan’ny JIRAMA tetsy amin’ny Hotely Ny Railovy Analakely.

 

Noho izany indrindra no hirosoana amin’ny fihaonamben’ny mpiasa sy ny fitokonana faobe manomboka anio amin’ny 7 ora maraina eny Soanierana. Marihina, hoy izy ireo fa tsy mbola misy ny fanakatonana ny orianasa JIRAMA sy ny fanapahana ny jiro sy rano izay azo atao. Tsiahivina fa efa nisy fampiantsoana nataon’ny Inspektoran’ny asa mahakasika ny taratasy nalefan’ny sendika izay nilaza fa ara-dalàna tsara ny fitokonana hotanterahina anio. Raha mbola manao bemarenina ny fanjakana dia hanakatona ny orinasa sy hanapaka ny jiro sy rano izy ireo amin’ny herinandro ho avy izao. Izao no hatao dia noho ireo fitakiana tahaka ny famerenana ireo mpitarika sendika 4 izay tsy nangalatra sy nanodinkodim-bola nefa noroahina noho ny tsy fanarahan-dalàn’ny Tale jeneraly. Eo ihany koa ny famotehana ny orinasa sy ny fialana bala fotsiny ataon’ny Tale jeneraly ny amin’ny famoaham-bola tamin’ireo fifanarahana natao ka hanizingizinan’izy ireo ny fialany. Nanamarika moa izy ireo fa tsy manana fahefana ary tsy anjarany ny hanolotra sy hametraka Tale jeneraly vaovao eo fa andraikitry ny fanjakana izany saingy tsy azo ihodivirana kosa ny fanoloana ny Tale ankehitriny izay tena namotika ny orinasa. Miandry hatrany ny fandraisan’andraikitra sy ny fahaiza-manaon’ny fitondrana ny rehetra amin’izao fitokonana maro misesisesy nalaza tato ho ato izao.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT