Nahatratra 196.806 isa ireo mpizahatany nandalo teto Madagasikara hatreto ho an’ity taona 2019 ity raha toa ka 183.372 tamin’ny taon-dasa, izany hoe nitombo 13.434.
Mba hanatrarana mpizahatany miisa 500.000 hitsidika an'i Madagasikara amin’ny taona 2023, dia hisy ny "Forum international des investissements -WAVE Madagascar" amin’ny volana septambra ho avy izao eto Antananarivo. Hatao ny 17 hatramin'ny 20 septambra 2019 ho avy izao izy io, raha ny fantatra. Anisan’ny sehatra goavana mampiroborobo ny toekarem-pirenena ny fizahantany izay mameno ny 13%-n’ny harinkarena faobe ny taona 2016. Raha ny tarehimarika farany dia mitentina 748 tapitrisa dolara ny devizy nentiny ho an’ny banky foiben’i Madagasikara. Raha iverenana hatrany izay antontan’isa izay dia nahatratra 213.030 isa ireo vahiny tonga nitsidika teto ny taona 2018. Frantsa miisa 60 144, Maorisy : 3752, Sina : 3083, Angletera : 2700, USA : 2621, Afrika atsimo : 2576 ary Alemana : 2570. Manodidina ny 1,4 tapitrisa moa ny mpizahatany tonga nitsidika ny nosy Maorisy tamin’io taona 2018 io ary azo lazaina ho mbola lavitra ihany ny ezaka ho antsika manoloana izany na dia io amin’ny taona 2023 io aza. Ho tratra anefa ve ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.