Amin’ny 14 ka hatramin’ny 17 novambra ho avy izao no hanatanterahana ny fampirantiana voalohany mahakasika ny fitaterana sy ny manodidina izany hatao etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato.
Hampiavaka ity andiany voalohany ity ny fiaraha-miasa avy hatrany amin’ny mpitandro ny filaminana izay hanao ny fitsirihana ireo tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra tahaka ny fandehanana mafy loatra na ny tsy fahatomombanan’ny fiara. Ankoatr’izay dia hampahafantarina ao ihany koa ny fametrahana GPS amin’ny fiara mpitatitra rehetra entina hanara-maso ny fanaovan’ireo mpitatitra sasany gaboraraka. Tahaka ny zotra D mampitohy an’Antananarivo sy Ivato izay natao filamatra, dia misy ny ezaka hanitarana sy hanohizana ny tetikasa mahakasika izany. Hampirisihina amin’ity hetsika ity ihany koa ireo mpisehatra amin’ny fitaterana mba hanaja ny rafitra tahaka ny fanarahana ny bokin’andrakitra. Tranoheva 500 eo no hanao fampirantiana ary efa maro ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany namaly ny antso, hoy hatrany ny tompon’andraikitra nampahafantatra izany tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina. Marobe ny zavatra mila arenina eto amin’ny firenena amin’io sehatra io ary raha hay ny mifehy azy dia hisy akony mivaingana amin’ny toekarena mihitsy.
Tsirinasolo
Sehatry ny fitaterana
Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana
Amin’ny 14 ka hatramin’ny 17 novambra ho avy izao no hanatanterahana ny fampirantiana voalohany mahakasika ny fitaterana sy ny manodidina izany hatao etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato. Hampiavaka ity andiany voalohany ity ny fiaraha-miasa avy hatrany amin’ny mpitandro ny filaminana izay hanao ny fitsirihana ireo tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra tahaka ny fandehanana mafy loatra na ny tsy fahatomombanan’ny fiara. Ankoatr’izay dia hampahafantarina ao ihany koa ny fametrahana GPS amin’ny fiara mpitatitra rehetra entina hanara-maso ny fanaovan’ireo mpitatitra sasany gaboraraka. Tahaka ny zotra D mampitohy an’Antananarivo sy Ivato izay natao filamatra, dia misy ny ezaka hanitarana sy hanohizana ny tetikasa mahakasika izany. Hampirisihina amin’ity hetsika ity ihany koa ireo mpisehatra amin’ny fitaterana mba hanaja ny rafitra tahaka ny fanarahana ny bokin’andrakitra. Tranoheva 500 eo no hanao fampirantiana ary efa maro ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany namaly ny antso, hoy hatrany ny tompon’andraikitra nampahafantatra izany tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina. Marobe ny zavatra mila arenina eto amin’ny firenena amin’io sehatra io ary raha hay ny mifehy azy dia hisy akony mivaingana amin’ny toekarena mihitsy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.