Dossier

Sehatra tsy miankina Hanao latsakemboka hanaovana fampiofanana arak’asa


  • Talata 23 Oktobra 2018

Natao tetsy Ampefiloha omaly alatsinainy 22 oktobra ny fifanaovan-tsonia niarahan’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa tamin’ny sehatra tsy miankina momba ny latsakemboka Malagasy ho an’ny fanofanana arak’asa.

 

 

 

Ity farany moa dia napetraky ny lalàna izay nolaniana tao amin’ny antenimieram-pirenena tamin’ny taona 2017. Tamin’izany no nanekena fa ny 1%-n’ny vata-karama no latsakemboka arotsaky ny mpampiasa amin’ny sehatra tsy miankina ao amin’ny kitapom-bola iombonana. Arak’izany dia volan’ny sehatra tsy miankina ary tantanin’izy ireo ihany izany ka hanomboka ny janoary 2019 ny fandoavana voalohany ny latsakemboka. Na izany aza dia hanampy amin’ny fitantanana io vola io ny Masoivoho Frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) mandritra ny 3 taona satria misy vola 6 tapitrisa Euro na 24 114 900 000 Ariary (1Euro=4019,15 Ariary) narotsany hoenti-manainga ny kitapo iombonana. Nanambara ny minisitra Rahantasoa Aimée Lydia fa 70%-n’io vola arotsaka ao amin’ny kitapo iombonana io dia miverina amin’ny fampiofanana ny mpiasa eo anivon’ny orinasa mpikambana amin’ny sehatra voafaritra tsara. 20% no hoentina amin’ny sehatra hafa ary ny 10% kosa no hampiasaina amin’ny fitantanana ankapobeny.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT