Efa nampanankarena firenena maro ny toekarena mifototra amin’ny fizahantany.
Manana tombony be ary tokony ho lasa lavitra i Madagasikara amin’ny harena ara-boajanahary rehetra misy eto. 5.600 Km no refin'ny morontsiraka na moron-dranomasin’i Madagasikara izay tena manintona ny mpizahatany tokoa. Anisan’ny mampitaraina ireo vahiny anefa ny loton’ny torapasika sasany ka tokony hanaovana ezaka faran’izay haingana ny fanadiovana azy. Misy koa ireo hazo sy biby izay eto amin’ny firenena ihany no ahitana azy tahaka ny Baobaba sy ny lémurien, ny ravinala, ohatra. Voasokajin’ny banky maneran-tany ho manana karazana biby manan’aina maro indrindra i Madagasikara. 363 ny biby mikisaka, 266 ny vorona ary 140 ireo biby mampinono misy eto, araka ny tarehimarika ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Mahafantatra izany ny vahiny mpizahatany ka tonga ary tokony harovana hatrany ireny satria hitera-bola hampandroso ny toekarena. Tsy izay ihany fa ireo toerana manan-tantara misy eto Madagasikara dia misarika ny mpizahatany ihany koa. Raha tsy hiteny afa tsy ny rovan’Ambohimanga izay misy ny fasan’ny mpanjaka maro, ny alan’Atsinanana izay misy valanjavaboary miisa 6 ary ny toerana tena manintona ny mpizahatany tahaka ny any amin’i Tsingin’i Bemaraha. Ireo rehetra ireo dia efa nosokajian’ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fanabeazana, ny Siansa ary ny kolontsaina UNESCO ho anatin’ny harena maha izy azy an’i Madagasikara (patrimoine mondial). Mila miomana tsara i Madagasikara ary hijery ny fanatsarana rehetra tokony hatao satria ireny no hanintona ny mpizahatany ary hiteraka volabe ho an’ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.