Dossier

Sehatra fiantohana Azo itarafana ny fandrosoan’ny toekarena


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Nanatanteraka fiofanana momba ny fiantohana « assurance vie » ireo kaompaniam-piantohana eto Madagasikara omaly talata 2 oktobra tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy. Haharitra 2 andro izy io ary ny orinasa Afrika RE anisan’ny lehibe indrindra eto Afrika no tompon’antoka amin’ny fampiofanana.

 

 

 

Tsiahivina fa ny « assurance vie » dia tolotra iray ao amin’ny kaompaniam-piantohana ho  fitsinjovana ny vody andro ho merika sy ny mety ho loza any am-para.  Afaka manatona orinasam-piantohana ny olona iray manao an’io tolotra io ka raha sanatria misy ny fahafatesana dia  mandoa vola amin’ny olona misoratra ao amin’ilay izy (assuré). Nanambara ny tompon’andraikitra ao amin’ny Afrika RE Maurice, Holy Andriambololona fa mbola maro ny olona tsy mahafantatra ny sehatra fiantohana, indrindra ny resaka “assurance vie” eto Madagasikara.  Tena efa manana io tolotra io anefa ireo kaompaniam-piantohana misy eto. Tombony ny fidirana aminy satria maro ny banky mpampindram-bola no efa mitaky moaloha ny fampindramam-bola ataony. Raha  misy mantsy fahafatesan’ilay olona dia ny kaompaniam-piantohana no mamerina ny vola tokony haloany. Misy ihany anefa ny tranga tsy ahazoana misitraka io “assurance vie “io na dia niditra tamin’ny tolotra aza ny olona iray. Ohatra ny famonon-tena na doro trano fanahiniana natao mba hahazoana vola fotsiny (actes volontaires). Nilaza ny tompon’andraikitra fa mbola mila ezaka be avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny kaompania ny sehatra fiantohana eto Madagasikara  satria tena mbola vitsy ny olona manao izany . Ireo fiantohana tsy maintsy atao tahaka ny mahakasika ny fiara sy ny moto ihany no ataon’ny olona fa tsy laharam-pahamehana amin’ny maro ireo karazany hafa tahaka ny “assurance vie”. Ahafahana mijery ny fandrosoan’ny firenena izy ity. Mifanohitra amin’ny eto Madagasikara anefa satria maro ny olona manao fiantohana any amin’ireo tany manankarena sy mandroso.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT