Tarafina amin’ny totalim-bola ampindramin’ny banky ny sehatra fandraharahana eto Madagasikara. Araka izany dia salama ny toekarena raha mizotra miakatra ny vola ampindramin’ny banky (crédit bancaire).
Raha ny eto Madagasikara dia nahitana fihenana izany satria nidina ho 13, 8% ny faran’ny volana septambra 2018 teo raha toa ka 18,6% ny faran’ny taona 2017 araka ny tatitry ny Banky Foibe. Manodidina ny 5.400 miliara Ariary ny totalin’ny vola ampindramina omena ny sehatra tsy miankina avy any amin’ny banky amin’izao fotoana izao. Raha oharina ny tamin’ny herintaona dia nisy ny fidinana hatramin’ny 700 miliara Ariary raha atao ny kajikajy amin’io taha 13,8% io. Na izany aza dia hita taratra fa haingana kokoa ny fisondrotry ny vola hanaovana fandraharahana amin’ny fotoana antonony sy maharitra (crédits bancaires à moyen et long terme) noho ny fotoana fohy (investissement à court terme) amin’izao fotoana izao ary hisy akony tsara amin’ny fisondrotry ny harinkarena izany. Mbola olana hatrany ny maha vitsy ireo fandraharahana atao amin’ny fotoana lava eto Madagasikara satria saika ny fampiasana vola amin’ny fotoana fohy hatrany aloha eto no mbola betsaka sy ataon’ny olona nohon’ny zava-misy sy ny tahotra ny amin’ny tsy fahasalaman’ny fandraharahana. Misy akony mivaingana amin’ny toekarena anefa ireny fampiasam-bola amin’ny fotoana lava ireny raha oharina amin’ny fanodinam-bola amin’ny fotoana fohy izay mampirona ny mpandraharaha eto amin’ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.