Ilaina ny torolalana amin’ny tokony ho fantatra momba ny fananan-tany eto Madagasikara.
Tena mbola anjakan’ny kolikoly io sehatra io ary tena mampijaly ny Malagasy. Tanjon’ny atrikasa natao omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny hanaparitahana ho an’ny daholobe sy ahafahan’ny Malagasy rehetra, indrindra ny any amin’ny tontolo ambanivohitra mahafantatra ireo torolalana hanamorana ny fananan-tany. Mbola olana ihany koa ny porofo ara-dalàna manamarina ny zo fananan-tany, indrindra hita ho tsy mazava mihitsy ny lalàna mahakasika izany. Manginy fotsiny ny fahasahiranana maka ny titra, ny kara-tany, ny tanim-panjakana, ny bokin-tany ary ny kadasitra. Anisan’ny manahirana ny Malagasy ny dingana rehetra arahina amin’izany ka nanomezana fanazavana ambangovangony ary nomena vahana nandritra ny atrikasa omaly.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.