Miantoka ny fahombiazan’ny 75% ny voka-pambolena ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana manara-penitra.
Amin’izao fotoana izao dia sahirana ary tsy mivoatra mihitsy ny ankamaroan’ny tantsaha Malagasy noho ny tsy fananana fitaovana. Ireny fitaovana ireny ihany anefa no ahafahana mampitombo ny vokatra ary mampihena ny vola lany mihitsy aza. Noho ny tsy fahampian’ny fitaovana ampiasain’ny tantsaha Malagasy dia tsy araka ny tokony ho izy mihitsy ny fiakaran’ny vokatra. Mbola sakana tanteraka amin’izany ny olana ara-bola izay tsy ahafahana mividy fitaovam-pamokarana, hany ka tsy maharaka ny fivoarana ateraky ny fanatontoloana mihitsy i Madagasikara. Vokatr’izany dia tsy ampy isahanan’ny tantsaha ny velarantany karakarainy ka maro no tsy voavoly akory. Ankoatra ny fahalafosan’ny fitaovam-pamokarana dia eo ihany koa ny tsy fahafantaran’ny mpamboly mihitsy ny vokatra tsara azo amin’ny fampiasana ireny. Tsiahivina fa eo amin’ny 50 000 Ar hatramin’ny 700 000 Ariary eo ho eo amin’izao fotoana izao ny vidin’ny fitaovam-pamokarana tokony hampiasain’ny tantsaha iray.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.