Dossier

Sehatra fambolena eto Madagasikara Mila mivoatra ny tantsaha


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Omaly talata 24 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny fisian’ny foara be andiany faharoa ho an’ny fambolena (FIA) ny 14 hatramin’ny 17 septambra ho avy izao.

   Tanjona ny fampihaonana an’ireo tantsaha mpamokatra amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena (agri-business) sy ny agro-industrie. Raha tsy mifameno mantsy ireo sehatra ireo dia mijanona amin’ny fetra misy azy ary tsy hivoatra mihitsy ny tantsaha Malagasy. Misy ny fomba fiasa ao anatina rojom-pihariana (approche chaine de valeur) izay mitodika any amin’ny lalam-pihariana mankany amin’ny seha-pihariana mba hampivoatra ireo sehatra 3 andry iankinan’ny tontolon’ny fambolena ireo araka ny tatitry ny talen’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny fambolem-bary eto Madagasikara, Andriamatoa Willy Rakotomalala. Ny agro-alimentaire izay miompana amin’ny sakafo  sy ny agri-business anatin’ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny fambolena dia hampivoatra haingana ny seha-pihariana eto Madagasikara. Any amin’ireo sehatra vaovao tsy voatrandraka tsara eto ireo no tena misy ny tsena hampihodina haingana ny vokatra. Araka izany dia mila mametraka paikady tsara sy lalàna  mampandroso amin’ny lafiny fandraharahana tsara ny Malagasy mba hivoaka amin’ireo sehatra ireo. Ny FIA no ahafahan’ireo mpisehatra rehetra ireo hihaonana ary tombony ho an’ny mpandray anjara satria hisy tsena maro hisokatra. Ankoatra ny fanodinana sy ireo  fitaovana ampirantiana ao mantsy dia ho avy ao avokoa ireo mpamatsy vola.

Tsiry


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT