Sehatra tsy azo ihidivirana amin’izao fotoana izao ny sehatra angovo satria mifandray tanteraka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy izany.
Nanambara mihitsy aza moa ny sekretera generalin’ny firenena mikambana teo aloha, Ban Ki-moon fa tsy azo eritreretina ny fampandrosoana tsy misy ny angovo ary sarotra ny ahatongavana amin’ny fampandrosoana lovain-jafy raha tsy misy ny angovo maharitra. Anisan’ny vaindohan-draharaha eto Madagasikara ary voafaritra ao anatin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD 7) ny tokony hananan’ny rehetra ny angovo maharitra, manaraka ny toetr’andro ary amin’ny vidiny mirary. Amin’izao fotoana izao dia olona 1 amin’ny 5 no tsy mahita jiro ary ny afrikana no maro an’isa araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Olana anefa ny fiovaovan’ny toetr’andro ateraky ny filàn’ny olona ny angovo satria 3 miliara amin’izao fotoana izao ireo olona mbola mampiasa hatrany ny kitay sy ny arina. Nanambara mihitsy aza moa ny firenena mikambana momban’ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) fa 66% amin’ny entona avy amin’ny angovo no miteraka fiovaovan’ny toetr’andro. Izany no manimba haingana ny tontolo iainana ary tokony handraisana fanapahan-kevitra indrindra eto Madagasikara mba hahatongavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.