Herinandro maro izay no lasa, nilazan’ny minisitry ny kolontsaina, Johasy Eleonore,
fa hanokatra fanadihadiana mikasika ny fahaverezan’ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona ny minisitera. Nohamafisiny omaly nandritry ny fanotronana fifanaovan-tsonia iray tetsy Ambatonakanga ary fa efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana. Tsy mbola misy vokany kosa anefa izany hatreto, hoy izy. Maha sarotra ny raharaha ilay izy any ivelany. Raha tsiahivina, vaovao iray niely tamin’ny tambajotran-tserasera izay nilaza fa hatao lavanty ao Parisy ity satroboninahitra ity no antony nahatonga ny fanambaran’ny minisitra ny amin’ny hanaovana izay fanadihadiana izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.