Hotanterahina ny zoma 31 aogositra ka hatramin’ny sabotsy 1 septambra ho avy izao etsy amin’ny Carlton Anosy ilay hetsika “RSE et initiative pour le développement durable”
andiany fahatelo karakarain’ny kabine UR CSR Consulting. Hanome vahana ny tanora eo amin’ny lafiny fandraharahana, indrindra amin’ny fomba fitantanana orinasa izy ity. Tsy mbola ampy ny fanomezana sehatra ny tanora ary ilaina ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Ankoatra ny tsy fisian’ny politika mazava eto Madagasikara mantsy dia mbola tena maro ny olana sedrain’ny orinasa ary izany no antom-pisian’ny hetsika. Ohatra amin’izany ny tsy fijerena manokana ny tontolon’ny mpiasa sy ny fiahiana rehetra ary ny tombony tokony hananany. Eo ihany koa ny fikajiana ny tontolo iainana izay tokony hirosoan’ny rehetra manana orinasa sy ny mbola hanangana atsy ho atsy. Ankoatra izay, nanambara ny mpiara-miombon’antoka ho amin’ny Fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo (PAM) ny tokony mbola hampitomboana ny politika hoenti-miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy. Ilaina izany ho fanosehana ny sehatra toekarena, indrindra hampiroboroboana ny tanjona ao anatin’ny fampandrosoana lovain-jafy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.