Asa iray anisan’ny tena mahazo vahana eto amintsika ankehitriny ny “Salon de massage”. Hanotra ireo mpanjifa reraka na te haka aina kely no tena hatao amin’izany saingy mivadika ho zavatra hafa rehefa tonga any amin’ilay tsy eritreretina. Lasa miafara any amin’ny firaisana ara-nofo mantsy izy io, endrika fivarotan-tena an-kolaka.
FOTSIFOTSY SY MANIFY
Amin’ny ankapobeny, tsy mandray tovovavy mihoatra ny 25 taona ny “salon de massage” iray. 18 ka hatramin’ny 22 taona no tena ilain’izy ireny, fotsifotsy, lava volo, manana halavana 1 m sy 55 raha kely sady manifinify misy jerena. Eny am-piandohana dia manomboka amin’ny 150.000 Ar ny karama ho an’ireo tovovavy miasa amin’ny antoandro amin’ny 10 ka hatramin’ny 6 ora hariva raha 200.000 Ar kosa ho an’ireo miasa amin’ny alina, misy fiara fitaterana. Misy ny fiofanana kely omena ireo tovovavy amin’izany ka rehefa tena zatra izy ireo, indrindra fa ireo miasa alina dia mampiditra moramora ny zavatra mety hitranga mandritra ny asa fanorana.
MANAITAITRA
Mpanjifa dimy isan-kerinandro raha kely no tsy maintsy henjehin’ny tovovavy mpiasa iray eo anivon’ireny “salon de massage” ireny. Misy amin’ireo salon no mametraka sarany hatramin’ny 100.000 Ar isaky ny mandeha tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fahafaham-po ilay mpanjifa na ny fivarotana ilay tovovavy mihitsy. Misy ihany koa ireo manao 30.000- 40.000 Ar ary ilay lehilahy mpanjifa avy eo no manome ilay tovovavy mpanotra raha afa-po izy. Ho an’itsy voalohany manokana dia ny 20 % amin’io vola miditra io ihany no omen’ny mpampiasa ilay tovovavy ankoatra ny karamany isam-bolana, raha ny resaka nifanaovana tamina tovovavy iray. Tsy maintsy manao atin’akanjo tsara sy manaitaitra izy mandritra izany ary rakofana akanjo manify avy eo eny ivelany.
ANY AMIN’NY TONGOTRA
Any amin’ny tongotra no mandeha voalohany rehefa manotra, raha ny resaka nifanaovana tamina tovovavy iray miasa eny anivon’ireny “salon de massage” ireny. Menaka efa voatokana mihitsy no ampiasaina. Miakatra hatrany ary afaka mikasika izay faritra tiany amin’ilay tovovavy ihany koa ilay mpanjifa. Ho an’ity tovovavy iray nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ity dia nambarany fa ilay “finition” no tena henjana. Mety hijanona eny antenantenany izany nefa mety ho tonga any amin’ny firaisana ara-nofo ihany koa izay nambarany fa tsy hampiasana fy mailo. Rehefa faran’ny herinandro raha ny fanazavany hatrany no tena mahabetsaka ireo mpanjifa, indrindra fa ny zoma alina. Nomarihiny manokana fa aleon’ny lehilahy ankehitriny manatona ireny “salon de massage” ireny toy izay haka vehivavy mijorojoro eny rehetra eny, fomba efa tena tranainy tokoa.
FINITION
Anisan’ny tena mahaliana ny rehetra mikasika ity “salon de massage” ity ny resaka “finition”. Amin’ny ankapobeny, fanomezana fahafaham-po ilay mpanjifa amin’ny alalan’ny fanorana ny filahiana izy io. Efa misy fomba fanaovana azy mihitsy raha araka ny fanazavan’ny tovovavy iray ka ny tanjona dia ny hivoahan’ilay tsirin’aina ety ivelany. Tafiditra ao ireo retsika manakaiky ny fitombenana. Rehefa mifanaraka tsara anefa ny roa tonta mandritra izany dia tonga hatrany amin’ny firaisana ara-nofo ny fiarahana ka manome vola manokana indray ilay lehilahy, indrindra raha afa-po tanteraka.
MIVANTANA FA MISY OTRA KOA
Tsy ny “salon de massage” ihany anefa no endrika iray hisehoan’ny fivarotan-tenan’ny tovovavy ankehitriny fa misy endriny hafa ihany koa. Orinasa kely maromaro miafina no efa misehatra amin’izany eto an-drenivohitra. Any amin’ny tambajotran-tserasera facebook na amin’ny alalan’ireo tovovavy mana-namana maro no hisarihany ireo tovovavy mila vola. Efa ananan’izy ireo avokoa ny laharam-pindain’ireo lehilahy be vola mila tovovavy kely ka avy hatrany dia ampifandraisiny ny roa tonta raha manaiky ilay tovovavy. Ireo tovovavy mpianatra amin’ny ankapobeny no tena kendren’izy ireo saingy tiany sy hazainy fatratra ihany koa ireo miteraka tsy manambady, ireo manambady saingy mijaly am-panambadiana. Tsy latsa-danja amin’izay ireo tia lamaody te hikirakira finday avo lenta sy te hanana fiara nefa tsy afa-manoatra. Na izany aza, noferan’izy ireo hatramin’ny 35 taona raha lehibe indrindra ireo vehivavy ampiasainy ary omeny fiofanana kely momba ny otra eny am-piandohana. Herinandro ihany raha betsaka dia vita ny fiofanana.
MAHAZO VOLABE
Avy hatrany dia any amin’ireo orinasa kely miafina ireo ny vola no miditra, raha ny fijoroana vavolombelona nataona tovovavy iray. Misy amin’ireo lehilahy mitady tovovavy no hahazoan’izy ireo 1 tapitrisa Ar isam-bolana ka vehivavy iray isan-kerinandro no omeny, karamaina manomboka amin’ny 60.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar isanisany. Amin’ny ankapobeny, ireo tovovavy na vehivavy manana olana ara-bola no tena tafaroboka amin’izy ity na ireo tsy manam-bola handoavana hofan-trano na ireo tsy maintsy manefa ny saram-pianaran-janany. Nomarihiny fa tsy azo hananganan-javatra ny vola azo avy amin’ireny raha te-hiaina malalaka fa hanamboarana volo sy hikarakarana endrika amam-bika rehefa tena tsy hita izay hanaovana azy.
MARO ZAVATRA TSY AMPOIZINA
Ho an’ity endrika fivarotan-tena iray ity dia miankina amin’ireo mpifankatia na mbola hihaona hiresaka aloha izy ireo na avy hatrany dia any amin’ny efitrano fatoriana no mifampiandry. Fa ny tena loza, hoy hatrany ny tovovavy iray miaina ao anatin’io tontolo io dia ny fihaonana tampoka amina olom-pantatra iray tsy ampoizina toy ny dadatoa na ny mpiara-mivavaka nefa ny tena efa manao atin’akanjo fotsiny eo am-piandrasana azy. Araho kely anie ireto fijoroana vavolombelona ireto e !
Miahy, renim-pianakaviana niteraka iray : Ny ahy ny tena nampalahelo ahy, olona tena ratsy tarehy be ilay lehilahy. Sady mampatahotra no matavy be nefa tsy maintsy hamiravira ny tena. Dia nanaiky tsy fidiny satria mila vola e ! Ny hofantranonay no tsy voaloa tamin’izay.
Lova, tovovavy 19 taona : Ny ahy indray tovolahy namako fahiny efa nanadala ahy tany am-pianarana no sendra ahy. Tsara ratsy ihany ny fizotry ny tantara satria nanontany ahy izay antony tena nanosika ahy hanao io asa fivarotan-tena io izy ary nomeny izay vola notadiaviko aho avy eo, tsy nisy fiarahana tsy nisy fangatahana na inona na inona.
MANDEHA IRERY
Ho an’ireo tovovavy na renim-pianakaviana efa zatra milomano eo amin’ity sehatra iray ity, raha ny fanadihadiana natao hatrany dia efa afaka mandeha irery izy ireny rehefa ela ny ela. Efa ananany avokoa ny laharam-pindain’ireo lehilahy mila azy ka miantso fotsiny izy rehefa mila vola, miankina amin’ny olana sedrainy sy ny zavatra tadiaviny. Misy amin’izy ireny ihany koa no mandefa fampahafantarana amin’ny gazety ka manatona azy fotsiny ireo mpanjifa aorian’izay.
TSY NY ASA FANORANA REHETRA
Marihina fa tsy ny resaka fanorana rehetra no mampivarotena tovovavy Malagasy fa misy karazany izy ireny. Ho an’ireo “salon de massage” milaza fa manotra ny faritra rehetra dia nambaran’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa tsy nahazo alalana avy amin’izy ireo izy ireny. Tsy ara-dalàna raha fehezina. Ho an’ireo “tradi-praticien” kosa na ireo mpanotra nentim-paharazana dia misy mihitsy ny fepetra takian’ny minisitera amin’izy ireo. Anisan’izany ny fisian’ny toerana fandraisana ny marary, ny fiandrasana olona, ny fisian’ny latabatra sy ny seza ampiasaina, tsy maintsy manara-penitra ihany koa ny trano. Tsy latsa-danja amin’izany ny fametahana soratra famantarana ho hitan’ny besinimaro izay tsy azo asiana na inona na inona ankoatra ny anaran’ilay mpanotra sy adiresy misy azy ary ny soratra hoe : mpanotra. Ho an’ireto farany, tsy maintsy mampahafantatra ny minisitera ny fisiany sy ny fisokafany hatrany izy hanaporofoana fa mpanotra araka ny fomba nentim-paharazana no ataony, tsy mifidy olona na salan-taona ary manotra mitsabo ny tsy salama fa tsy mikasika zavatra hafa.
Patty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.