Ny Malagasy dia homam-bary. Ny Malagasy dia mamboly vary. Ny vary eto an-toerana anefa tsy ampy lava noho ny antony samihafa: eo ny tsy fahazotoan’ny tantsaha hiala amin’ny fomba mahazatra, ny teknika fambolena tsy mbola miparitaka tsara, ny tsy fahampian’ny fitaovana…
Isika manana elanelana amin`ny vary hafarana eo amin` ny 300 taonina hatramin` ny 400 taonina isan-taona noho tsy fahampian` ny vokatra ato anatiny. Inona ny paikady tsy maintsy atao? Hampitombo ny velaran-tany volena? Hanatsara ny masim-boly ampiasaina? Fanohanana maro samihafa ve? Ny fitondram-panjakana dia nametraka fanamby fa tsy hanafatra vary isika aorian` ny 2020. Ao ambadik` izany anefa dia misy ankisika mitranga: orinasa sinoa iray miketrika hampiditra “vary hybride”. Isika no tompon` ny voly vary maro anaka saingy ny firenen-kafa no nahita vokatra sy misitraka izany amin` izao. Kely ny masim-boly “hybride” hambolena fa kosa mamokatra betsaka satria dia 6 taonina isaky ny hektara izany. Tsy vao androany io orinasa sinoa io no nisisika hampiditra io “vary Hybride” teto amintsika fa efa tany amin`ny taona 2006-2007 saingy nisy teknisianina nilaza fa mila mitandrina amin`ity resaka hybride fa tsy mahasoa an` i Madagasikara. Niova ny fitantanana taty aoriana saingy nijery izay lafin-ratsy aterak` izay masim-boly hybride izay. Maro ireo firenena hafa niala tamin`io toy ny Senegal. Nandritra ny taom-pamokarana dia niditra tamin` ny vary “hybride” saingy niverina tamin` ny varin-drazana roa taona taty aoriana. Olana ihany koa dia ny “Riz hybride” dia tafiditra amin`ny sokajy OGM (Organisme génétiquement modifiè). Tany Eoropa no nanomboana niketrika an` izany saingy miezaka mitady vokatra “bio” (voajanahary) amin` izao fotoana izao satria ratsy ny tsiron` ny vokatra OGM, miteraka aretin-tsaina, mila zezika simika vao mahazo ny vokatra tadiavina. Natao ho tsy hahafatiantoka ity vokatra ity saingy rehefa hambolena dia tsy afaka hangalana ny masim-bola ny vokatra miakatra. Voatery miankin-doha amin` ilay masimboly ka manafatra azy hany ka mitombo ny vola mivoaka satria miverina aotra ny vokatra. Raha ny tranga nisy ihany koa dia misy fiantraikany ny zezika simika. Haino fa misy masim-boly manodidina 500 taonina no efa eny ambony ny sambo ary mety ambivotra ny hidirany. Araka ny loharanombaovao dia fanomezana ireo masim-boly ireo. Marihana fa 80%n` ny Malagasy dia tantsaha ka ahoana ny ho avin` ireo eo anatrehan` ny “vary hybride”? Misy andrana atao ihany koa eto amintsika amin` ny hazo: kesika sinoa. 6 hatramin` ny 8 taona dia azo kapaina kanefa ny zava maniry manodidina azy haingam-papotehana. Ny laharampahamena eo amin` ny toekarena dia telo ihany: ny lalana, ny angovo ary ny fanabeazana. Safidy politika io fa tsy hoe hizakazaka hanenjika vokatra satria misy “contrat-programme” ka horefesina ny fahavitana tena ara-bary fa ny fiaintraikany amin` izay amin`ny 27 tapitrisa sy ny tantsaha 80%, mba ahoana?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.