Dossier

RGPH-3 Afaka efa-bolana ny fanisana vonjimaika


  • Zoma 29 Jona 2018

Ny 95%-n`ny fanisana ankapoben`ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH-3) no vita hatramin`ny omaly.

 

Vita tanteraka io amin`ny faran`ny volana jona ity aorian`ny fahazoana ireo antontan-taratasy fanisana an`ny faritra DIANA sy SAVA izay nananosarotra noho ny halavirana sy ny fahasarotana amin`ny lalana. Maro ireo olana natrehana, hoy ny tale jeneralin`ny Ivontoerana nasionaly momba ny antontanisa (INSTAT), Ida Rajaonera, indrindra teo amin`ny fanentanana sy ny serasera saingy nisy kosa ny fiaraha-miasa tamin`ny haino aman-jery tamin`ny fampahafantarana ny mponina ka nihafaingana ny fandehan`ny asa. Nambaran`ny talen`ny Instat fa afaka efa-bolana dia havoaka ny isa vonjimaika ary amin`ny taona ho avy no hivoaka kosa ny isa ofisialy amin`ity fanisana ankapobean`ny mponina sy ny toeram-ponenana ity. Hatramin`ny fito tapitrisa ny antontan-taratasy naparitaka manerana ny nosy. Nahomby kosa ny fomba tena nampiasana teto Madagasikara tamin`ny fanisam-bahoaka tamin`ity taona ity satria nisy ny fampiasana ny nomerao maitso 919 raha toa ka nisy zavatra manalasala. Azo atao koa ny manatona ny sefom-pokotany any ambanivohitra raha toa ka tsy misy ny finday hahafahana miresaka amin`ireo tompon`andraikitra hoy hatrany ny fanazavana. Nohamarinina ihany koa ny faha efa-taonan` ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy sy ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny mponina (UNFPA) ao anatin`ilay fandaharan`asa, izay hotanterahina, miisa fito. Naharitra roa andro ny fanaovana ny tatitra amin`ny ady amin`ny fahantrana izay nametrahana ireo fandaharan`asa ireo. Nisy ihany koa ireo fandaharan`asa momba ny reny sy ny tanora miady amin`ny herisetra ary koa ny fivoaran`ny mponina. Zava-dehibe ho an`i Madagasikara ny fahavitan`ny tatitra, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana, Atoa Marcel Napetoky omaly tetsy amin`ny hotely Panorama Andrianarivo.


Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT