Tsy nitsahatra nihena ny sandam-bolan’ny Malagasy nanomboka ny taona 1985 ary nahatratra hatramin’ny 6000% hatramin’izao.
Fihenan’ny sandam-bola 100% aza dia efa manapotika tanteraka ny toekarena mainka fa io tarehimarika ambony io izay antony tena mampitarazoka ny fahantrana eto Madagasikara, hoy ny nambaran’ny kandida atolotry ny Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI), Ratsietison Jean Jacques. Izany ihany koa no antony nisian’ny filaharam-bary sy ny entana hafa teto amin’ny firenena voalohany satria ny karama tsy nihetsika kanefa tsy ampy ny vola noho ny fidinan’ny sandany. Mifanohitra tanteraka amin’ny firenen-dehibe no misy eto satria ny any tsy mampidina ny volany izany ary izy no tompon’ny volany araka ny fanazavan’ity mpahay toekarena ity. Tsy ny Malagasy no tompon’ny volany eto, hany ka tsy afaka handroso sy hivelatra mihitsy ara-toekarena. Nanome vahaolana izy ny amin’ny tokony hanoloana ny tsena be ifanakalozam-bolan’ny banky vahiny (MID) ho lasa taha-bola tsy miovaova (taux de change fixe). Izay ihany, hoy izy, no fanafody hanafaka ny firenena ny amin’ny fidangan’ny vidin’entana hafarana, ny solika ary ny entana ilaina andavanandro.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.