Mitohy ny fahatapahan-jiro lavareny sy ny fahoriana amin’ny fisitrahana rano fisotro madio.
Toa vitavita ho azy hatrany, ary efa mahazatra ny fanazavana ny fisian’ny fantsona vaky, antitra ny fitaovana,… Saika toerana maro omaly no nisiana fahatapahan-drano naharitra. Vao niverina, dia rano maloto hafahafa loko no tonga any an-tokantrano. Rehefa handroana dia toa mampangidihidy, hoy ny olona sasany. Tena rano tsy azo sokajiana ho rano fisotro madio, fa tena rano maloto ara-bakiteny ny tonga any an-tokantrano. Ny jiro moa dia mampikolay ny fahatapahana izay nambaran’ny filoha Rajoelina ny takarivan’ny 26 novambra fa efa tsy misy intsony ny delestazy fa “coupure” sisa. Tsy te hahalala izay filalaovana voambolana ny olona, fa ny olana sy ny fahasimban-javatra ankoatra ny fikorontanan’ny fihariana no fantany, kanefa ny faktiora tsy miova. Tsy tena misy fialan-tsiny ataon’ny fanjakana na efa rano maloto aza no sitrahan’ny olona, izay tsy afa-manoatra. Ny tena mahagaga amin’izao toe-javatra izao, dia anisan’ny nanaovan’ny filoha fanamby lehibe ny hampiakatra ny fisitrahan’ny Malagasy herinaratra sy ny hampitombo avo roa heny ny famokarana. Ny fanjakana anefa ity hafa mihitsy ny politikany ao anatin’ny tetibolam-panjakana fa notsoahina ny tohana ara-bola ho an’ny Jirama izay 250 hatramin’ny 350 miliara isan-taona eo hatrizay. Nisy tohana aza izy tsy nahavelon-tena sy tsy nahavaha olana, mainka fa amin’izao fotoana izao. Ny vahoaka izany no hizaka ny tsy eran’ny aina sy hovokisana fampanantenana lava ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.