Voatery nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana indray ny tenako tamin’ny 06 desambra 2018 teo, hoy Atoa Lercia mpandraharaha, amin’ny olana hifanolanako amin’ny orinasa Socimex satria na dia efa namoahan’ny minisiteran’ny fitsarana PIL « Le Pouvoir dans l’Intérêt de la Loi »
ny raharaha fitazomana an-keriny ny fiara 4 X 4 1378 AF izay novidiako tao aminy ka nanaovana « entretien » fa mbola ao anaty fanalana « traite » dia sahin-dry zareo ny nivarotra an’io fiarako io tamin’olon-kafa fantatra anarana. Araka ny « article 87 » ao amin’ny lalàna lah. 2004-036 tamin’ny 1 oktobra 2004 anefa dia manana ‘effet suspensif » ity raharaha hifanolananay ity ary fantatry ny Socimex tsara izany. Tsy misy tokony ho azo atao amin’io raharaha io raha tsy voatsaran’ny « Toute chambre réunie » ao amin’ny « cours suprême io PIL io nefa dia nisy firaisana tsikombakomba tamin’ny vadintanin’ity orinasa ny nahazoana namoaka « procès verbale de vente » namarotana an’io fiarako io ary dia mahagaga fa mbola nanirahan’ity orinasa ity vadin-tany indray tany amiko hitaky vola indray, hono, ary dia nandalo tao amin’ny sefom-pokontany izy ireo nilaza ho tsy nahita ahy. Ny borigadin’ny zandarin’ny Tanà ville no nampiandraiketan’ny fitsarana ny famotorana tamin’io fitoriana nataoko io ka nangatahako ny hanaovana « defferment » ny DG-n’ny Socimex sy ny « responsable contentieux » ao aminy satria tena nisy ny « charge » amin’ny fitoriako azy ireo. Hatreto anefa dia mahagaga fa ny anton-taratasin’ady fotsiny no tonga eny amin’ny fitsarana fa tsy nisy ny « defferment ». Tsy hamelako hatramin’ny farany anefa raha tsy tanterahana io « defferment » azy roalahy io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.