Naiditra am-ponja vonjimaika ny tale jeneralin’ny Kraomita Malagasy teo aloha, Rakotoarisoa Arsène Jean de Dieu sy ramatoa iray ary mpiasa roa eo anivon’ny kraoma.
Fanodinkodinam-bola ana miliara no hiampangana azy. Raha tsiahivina, ny talata 20 janoary lasa teo izy no nosamborina teny amin’ny toeram-ponenany ka naka am-bavany azy ny teo anivon’ny « Police économique ». Ny sabotsy lasa teo moa izy no nentina teny amin’ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly 67 HA. Nandritra ny fotoam-pitsarana dia voatonontonona matetika ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Voalaza fa baiko izay avy amin’ity farany moa no tanterahin’ity tale jeneraly teo aloha ity. Nisy moa fangatahana an-tsoratra nataon’ny fianakaviana sy ny mpisolovava ny mba hihainoana io filoha teo aloha io satria amin’izy ireo dia io filoha io no tompon’andraikitra voalohany ao anatin’izao raharaha izao ary baiko avy aminy avokoa no notanterahiny tao. Raha ny teo anivon’ny fiarovana indray dia noho ny trosan’ny orinasa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana mbola baben’ny orinasa hatramin’ny tsy nahateo an’ity tale jeneraly ity ary tsy fantatra ihany koa izay nataon’ny mpitantana izay nandimby azy tao. Tsiahivina fa tamin’ny 04 jolay 2014 hatramin’ny 06 aogositra 2018 no fotoam-pitantanan’ity tale jeneraly ity ary mpitondra telo izay no nifandimby nitantanana io orinasa io taoriany. Ireo mpitantana ireo anefa toa mafy paingorina ao anatin’ity raharaha ity. Mety misy ambadika politika ve no nanapaingorana azy ? Raha mahakasika ny filoha teo aloha indray dia ny fitsarana tampony (Haute Cour de Justice) no mandray an-tanana izany raharaha izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.