Dossier

Raharaha Ambohitrimanjaka « Tsy tokony hila ady amin’ny vahoaka ny fitondrana »


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Nahitsy ny teny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka Miray na VAMI, fa tokony hitady toerana hafa hananganana ilay tetikasa Tanamasoandro ny fanjakana,

 

 

 fa tsy hila ady amin’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka, hoy i Gaby Vakinadina. Nambarany fa tsy tokony hatao eny Ambohitramanjaka mihitsy, izay misy ny fiveloman’ny mponina ana hetsiny no hanaovana io tetikasa io, fa maro ireo tamponketsa sy taningazana midadasika no hanorenana io fotondrafitrasan’ny filohampirenena io. Mba mitadiava tany be velarana hafa hanaovana io Tanamasoandro io fa tsy ny tanimbarin’olona sy ny tanimboly izay foto-piveloman’ny mponina mihitsy no hosimbana sy hototofana hanaovana io fotodrafitrasa haingitraingitra io, hoy hatrany ny fanazavany. Manimba ny fiainan’ny mponina maro sy ny fivelomamany no ataon’izao fitondrana izao. Nanao antso avo amin’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka, Ambohidrapeto, Ambohidratrimo, Zaivola, izay toerana voakasiky ny tetikasa ity sekretera jeneralin’ny antoko ity, fa « arovy ny taninareo ary aza manaiky lembenana amin’ny famotehana ny fivelomanareo, fa mijoroa hatrany, fa maro ireo tsy mankasitraka ny fakana tany sy fanotofana izany no ao ambadikanareo, mijoro hatrany », hoy izy tamin’ny teny hentitra.

Sitraka r.

                                                                                                                                       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT