Ahoana no ahazoana antontan’isa azo antoka sy ara-potoana ? Fanontaniana mipetraka amin’ny resaka fikirakirana antontan’isa eto Madagasikara io.
Tafiditra ao anatin’izany, raha ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Instat, Ndremitsara Tarzan, ny fanontaniana hoe mba tsy hisian’ny verindroa na verintelo intsony anaty lisi-pifidianana taorian’iny nanalana anarana mpifidy miisa 200.000 sy ny tariny iny. Tokony hipetraka, hoy ny tenany, ny fenitra ara-dalàna rehetra mba hetezan’ny fomba fiasa satria miankina amin’izay no hisorohana antontan’isa diso na « résultat erronée ». Zava-dehibe ny fananana olona mpikirakira antontan’isa azo antoka. Tsy voatery injeniera fa na mpahay toekarena aza rehefa nomena fiofanana fohy na maharitra na tsikelikely farafaharatsiny, raha ny fanazavany hatrany. Ny lesoka ho antsika voalohany, hoy ny tenany, dia tsy misy ny finiavana politika. Tamin’ny taona 1993, ohatra, no nisy fanisana farany. Faharoa, ny resaka tsy miova ireo fehezan-dalàna na “texte” nefa ny toe-draharaha ekonomika efa niova. 6 tapitrisa no isantsika tamin’ny nahazoana fahaleovantena. Izao efa 26 tapitrisa eo ho eo. Miampy ny fampidirana ireo tetikasa vaovao sy vina maro samihafa, hoy izy. Ireny rehetra ireny dia misy fiantraikany amin’ny fikirakirana antontan’isa avokoa. Mila amboarina toy ny rafi-panjakana ihany koa ny ny rafitra misahana ny antintan’isa, raha ny fanazavan’ity tekinisianina ity hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.